Najoro tamin’ny fomba ofisialy tetsy Ankatso, omaly, ny Association des chercheurs nationaux des astrophysiques et astronomies (ACNAA). Ho fampahafantarana ny lalam-piofanana mahakasika ny astronomie eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo, izay ao anatin’ny fakiolten’ny Siansa, ny antony. Tanjon’ny fikambanana, araka izany, ny hanohana ireo tanora malagasy sy hanamora ny fikarohana mahakasika izany. Amin’ny alalan’ny laboratoara hahafahany mikirakira ny Big-data na “programmation” azo avy amin’ny alalan’ireo zavatra eny amin’ny habakabaka. Niainga tamin’ny tetikasa “Square Kilometer Area-(SKA)” ny astronomie tamin’ny taona 2004. Nivondronan’ ny firenena 8 ary tao anatiny i Madagasikara. Tetikasa nahafahana mandinika ny zava-misy eny amin’ny habakabaka. Ankehitriny, efa manomboka mahaliana ny mpianatra ity sampam-pianarana iray ity. Eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 7 isan-taona eo ireo tanora mivoaka, mahazo mari-pahaizana “Master” momba izany eny anivon’ny oniversiten’ Antananarivo, raha ny tatitra nataony hatrany.
Amin’ny ankapobeny, mijery kintana sy masoandro fotsiny ny tena ahalalan’ny maro ny astronomie. “Mikirakira ny angom-baovao rehetra sy mandinika zavaboahary azo sy eny amin’ny habakabaka ny tena asan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fitaovana sy teknolojia avo lenta”, hoy ny Pr Randriamampandry Solohery, filohan’ny fikambanana ACNAA. Toy ny fandinihana ny hafanana sy ny hafaingam-pandehan’ny zavatra azo avy amin’ny zavatra eny ambony eny…
Mampiasa ny fitaovana azo avy amin’ny fandinihana ireo zavatra eny ambony ireo avokoa ny olombelona rehetra. Anisan’izany, ny wifi, ny radiotelescope (onde radio), ny radiologie, ahafahana mijery ny havokavoka sy ny any anatin’ny olona any…
Mino