Azo antoka izao fa hihemotra amin’ny 11 desambra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izay nokasaina hatao amin’ny 6 novambra? Raha tsy misy ny fiovana amin’ny fotoana farany… Tsy inona fa izay mety ho fanapahan-kevitry ny governemanta, indrindra ny Filankevi-panjakana izay fitsarana misahana izay fifidianana izay. Hanao ahoana? Azo antoka, ohatra, fa mety hampiaka-peo ho azy indray ny mpanohitra sasany. Na inona mitranga sy atao, mahita hokitranina hatrany… Mikoha-maina aza atao, vao mainka fa misy sery anilahana.
Miara-dalana amin’izay fihemorana izay ary anisan’ny antony rahateo, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Ceni, ny tsy mbola mahatafatsangana ny governemanta. Tsy irotorotoana fa hijerena lavitra ny raharaha? Aleo mandeha miadana azo antoka fa ho lasa lavitra sy tonga amin’ izay aleha toy izay mihazakazaka nefa mety ho potraka an-dalana. Ny hazakazaka rahateo, hono, tsy dia mahalasa lavitra. Eo koa ny hoe izay tsara fiomanana, tsy tampohin’ ny loza. Misy mihevitra ny fifidianana ho kazarana loza, sanatria, indrindra ny amin’izay anto-bola firotsahan-kofidina amin’izany, ohatra?
Na ahoana na ahoana, mila miomana mandrakariva ny mpanao politika fa ho mpitondra. Nefa ny hoe mitondra dia miomana sy manomana… Ady fiady izay. Laingalainga, tsy ahazoana maka bahana sy miomana kokoa ve izay mety ho fihemoran’ny raharaha izay? Jerena amin’ny lafitsarany… Eny, na manimba aza ny ampitso ampitso lava: ny atoandro faka ronono, hono, ilaozan’ny omby mihahaka. Fa mety handrosoana koa ny fihemorana, raha efa mby amin’ny raharaha hita fa tsy ho vita, tsy ho tomombana araka ny tokony ho izy. Fahendrena izay. Ilaina ny mihemotra mba hahazoana mitsambikina sy mandroso kokoa?
R. Nd.