Mahasarika tantsaha maro ny fikirakirana ny ravin-jirofo hivadika ho lohamenaka amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Noho ny tsy fisian-drano eny an-tanimbary sy ny halafosan’ny vidin’ny lohamenaka ny anton’izany.
Tsy afa-miala amin’ny fiharian’ny tantsaha ny jirofo sy ny mombamomba azy. Ampiasain’izy ireo avokoa hatramin’ny voany, ny raviny, ny tahony ary ny vatan’ ny jirofo. Mifanindran-dalana amin’ny filàn’ny tantsaha amin’ny fanaovana Lambiky na vilany vy lehibe ho fanodinana lohamenaka avokoa izany rehetra izany. Ho an’ny distrikan’ i Soanierana Ivongo, izay manana kaominina ambanivohitra miisa sivy, samy mamokatra jirofo avokoa izy rehetra. Ankehitriny, samy mirona mankany amin’ny fanodinana lohamenaka jirofo avokoa ireo tantsaha. Mihazakazaka any amin’ny fanaovana Lambiky sy fandrahoana ravin-jirofo avokoa, araka izany, ny fiharian’ny tantsaha, any an-toerana, noho ny fahasarotan’ny fahazoana rano eny an-tanimbary sy ny fahamaroan’ny voly jirofo ary indrindra ny halafon’ny vidin’ny lohamenaka jirofo. Nandritra ny fanadihadiana natao tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambanjan’i Sahalava, manana mponina hatrany amin’ny 13 000. Fotoana hironan’ny isan-tokantrano manao izany asa izany izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny, ankohonana iray manontolo na tokantrano roa samy hafa no indray mifarimbona mandra-pahamasaky ny lohamenaka.
Asa sarotra ny fanaovana lohamenaka
Miezaka ny tantsaha hanao io asa io ho asa fivelomana na dia asa sarotra aza. Amin’ny ankapobeny, sarotra ny fanatanterahana ny asa satria ela vao mahazo lohamenaka jirofo. Asa voalohany atao ny fanapahana ireo laingon-dravina jirofo. Taterina any amin’ny toerana misy ny Lambiky izany avy eo. Avadika ho lasa kitay ireo hazobe. Rehefa izay, atomboka ny fandrahoana ny ravina jirofo amin’ny afo kitay. Marihina fa tsy azo atao maty afo mihitsy izany. Tsy maintsy arahi-maso tsara ihany koa ny fitetehan’ny lohamenaka ao anatin’ny tavoahangy. Matetika maharitra efatr’andro ny fahamasahan’ny fehina ravin-jirofo 20 isa. Amidy 40 000 hatramin’ny 45 000 Ariary eo ny kilaon’ny lohamenaka jirofo.
Voageja any amin’ny prefektiora ny anjara hetran’ny kaominina
Araka ny didim-panjakana teo anivon’ny prefektioran’i Fenoarivo Atsinanana sy ny faritra Analanjirofo, mahatratra hatramin’ny 500 000 Ariary ny haban’ny fanaovana lambiky. Miverina any anivon’ny kaominina ny 50 000 Ariary amin’izany. 300 Ariary isaky ny kilao ny hetra halain’ny kaominina isaky ny lohamenaka. Raha toa ka 150 Ariary isaky ny kilao kosa ho an’ny jirofo maina. “Tsy mbola niverina aty anivon’ny kaominina Ambanjan’ i Sahalava ny anjara hetranay”, hoy Razafindramaro Alexis, mpitantam-bolan’ny kaominina any an-toerana, raha ny fanadihadiana natao taminy.
Telo andro ny fanaovana vilany vy be iray
Raha ny fanazavan-dRameva, mpandraharaha mpanamboatra vilany vy, nandritra ny fanadihadiana natao taminy, mitentina 2 400 000 hatramin’ny 5 000 000 Ariary ny saran’ny fanamboarana vilany vy be iray sy ny kojakoja miaraka aminy. Maharitra telo andro ny fandraisana an-tanana ny fandrafetana izany vao mahazo vokatra iray. Nohamafisiny fa indraindray tsy maharaka ny kaomandy voarain’izy ireo. Maro ny olona mamaritra mialoha ny hanamboarana ny vilany vy. Amin’ny ankapobeny, handrahoana ny ravina jirofo no tena ilan’ny tantsaha io vilany vy io. Ahitana taratra hatrany izany fa saika efa mirona amin’ny fandrahoana ravin-jirofo avokoa ny mponina any.
Tsara ny mampahafantatra fa tsy misy singa azo ariana ny eo amin’ny vatana jirofo iray.
Etsy ankilany, toerana matetika hitrangana haintrano mahatsiravina ny ao Soanierana Ivongo. Antony mahatonga izany ny fivarotan’ny olona na tokantrano maromaro solika. Marihina fa efa misy ivontoerana mpaninjara solika ny any an-toerana fa saingy mbola betsaka ny mirona amin’ny fivarotana solika isan-tokantrano.
Nanatontosa : Sajo