Betsaka ny tsindry mahazo ny tontolo iainana an-dranomasina sy an-tanety any Foulpointe, raha ny zava-misy. Samy mizaka an’izany avokoa ny an-dranomasina na ety an-tanety na eny ambohitra.
Voalohany, anisan’ny zavamaniry iray anaty ranomasina ny “algue” na ahi-dranomasina. Efa manomboka be mpitrandraka izany ankehitriny raha ny zava-misy any an-toerana. Amin’ny ankapobeny, misy teratany sinoa mandray ny ahi-dranomasina azon’ny mpitrandraka malagasy any an-toerana. Nilaza ireo mpitandraka nanaovana fanadihadiana teny amin’ny ranomasin’ny Foulpointe fa teratany Sinoa no mividy ny ahi-dranomasina fatorany iray amin’ny vidiny 150 000 Ariary. Hatramin’izao, mbola tsy fantatra ny tena antony ilavan’ireto teratany sinoa izany.
Misy voka-dratsiny tanteraka eo amin’ny tontolo iainana sy ny fomba fiainan’ny hazan-dranomasina ny fitrandrahana io zavamaniry iray io. Amin’ny akapobeny, ankoatra ny tsindry mahazo ny tontolo iainana na ny zavamaniry an-dranomasina. Iharan’ny tsindry ihany koa ny trondro izay ilain’ny olombelona atao sakafo ara-pahasalamana. Mitarika ny trondro handositra lavitra kokoa sy hifindran-toerana ny fitrandrahana ireo ahi-dranomasina ireo, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Hisy fiantraikany goavambe any amin’ny asa fiveloman’ny mpanjono izany zava-misy izany. Azo lazaina fa mandrora mitsilany ny fitrandrahana ity zavamaniry an-dranomasina ity. Nanamafy ny talem-paritry ny sampan-draharahan’ny jono fa misy tetikasa hahafahana mamboly ahi-dranomasina. Nilaza izy fa tsy manana fahazahon-dalana hitrandraka ahi-dranomasina ireo mpitrandraka izany any an-toerana. Nohamafisiny fa nanao andrana io teratany Sinoa io ka antony nividianany ireo ahi-dranomasina tamin’ny mpitrandraka.
Tandindonin-doza ihany koa ny ala honko
Tsy mijanona eo amin’ny fahasimban’ny aty ranomasina ihany ny fitrandrahana ahi-dranomasina. Ahina hiitatra amin’ny fitrandrahana ala sy ala honko ihany koa izany raha mitohy. Ilàna hazo be dia be ny fitrandrahana sy fitahirizana ny ahi-dranomasina, raha ny fanazavana voaray. Tsy maintsy tahirizina ao anaty ranomasina mandritra ny 45 andro ny ahi-dranomasina iray. Fatorana ary hazomina amin’ny hazo iray rehefa ampiakarina ety an-tanety. Fantatra nandritra ny fidinana ifotony fa tsy ara-dalàna ihany koa ny fanapahana ireo hazo ireo. Marihina fa tsy lavitra ny toerana hitazomana ny ahi-dranomasina amin’ny hazo ny ala honko. Ahina tanteraka ny hisian’ny tsindry manoloana ny fitrandrahana zavamaniry an-dranomasina tahaka izao any Foulpointe. Ankoatra izay, mety hivadika ho poizina mahafaty ny trondro sasany kosa izy io rehefa amin’ny andro mafana.
Foto-piveloman’ny trondro
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolo iainana anefa io zavamaniry iray io. Anisan’ny toeram-pialofana mampitombo ny karazam-biby an-dranomasina maro rehetra, toy ny trondro, makamba… izy io. Toerana iray ahitan’ny trondro mpihinana ahitra sakafo ihany koa izy io, indrindra raha mbola madinika izy ireny. Manodina ireo singa organika ao amin’ny fanambanin’ny ranomasina amin’ny alalan’ny fakany ihany koa ny ahi-dranomasina. Mitazona ireo fotaka avarin’ny riaka izy io. Ny raviny manalefaka ny herin’ny riaka mitondra ny fotaka. Manamafy ny fahamarinan-toeran’ny fanambanin’ny ranomasina kosa ny fakany sy ny tahony. Mamorona rivotra madio any anaty ranomasina ihany koa io zavamaniry iray io. Mitroka ireo entona maloto (gazy karbonika) ao anaty ranomasina. Manan-danja kokoa ny ahi-dranomasina raha oharina amin’ny ala maniry ety an-tanety, raha ny amin’ny fitahirizana ireo entona maloto ireo. Afaka mitroka entona in-35 avo heny izy io raha oharina amin’ireo ala matevina ety an-tanety. Afaka mitahiry 15 isan-jaton’ny entona maloto ao anaty ranomasina ao. Amin’ny ankapobeny, manana halalina hatramin’ny 10 metatra mahery any anaty ranomasina izy io. Mivelona any amin’ny faritra somary misy vatovato.
Nanatontosa : Sajo