Fampinonoana amin’ny nonon-dreny: mamonjy aina 820 000 isan-taona maneran-tany

Afaka mamonjy aina 820 000 isan-taona ny fampiakarana ny tahan’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny. Miaro ny zaza amin’ny aretina samihafa izany ary mampihena ny karazana homamiadana ho an’ny reny.

Nomarihina, tamin’ity he­rinandro ity, ny Heri­nandro ho an’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny. “Fanohanana ny fampinonoana, areno ny lesoka” no lohahevitra nosafidiana, ho an’ity taona ity. Navoitran’ny Unicef sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), fa ilaina ny fanohanana ny fampinonoana hampihenana ny tsy fitoviana ara-pahasalamana eo amin’ny zaza madinika sy ny zon’ny reny tsirairay. Tanjon’ny OMS hatramin’ny taona 2025 ny hanana tahan’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny tsy misy fangarony ho 50%. Ho an’i Madagasikara manokana, niakatra 54% ny tahan’ny fampinonoana ny taona 2021 (EDSMD) raha 50% izany ny taona 2019. Fivoarana vokatry ny ezaka tamin’ny fametrahana rafitra sakaizan’ny zaza teny anivon’ny toeram-piasana, ny foiben’ny minisitera fito. 40% amin’ireo orinasa mpikirakira lamba no manana toerana natokana ho an’ny reny mampinono, 10% kosa ho an’ny sehatry ny varotra, fambolena sy ny taotrano.
Na eo aza ny ezaka vita, 46% amin’ny zaza latsaky ny enim-bolana tsy minono tsy misy fangarony eto amintsika ary miovaova arakaraka ny distrika ny taha. Ho an’ny faritra Atsimo rehetra, 39% amin’ny zaza latsaky ny enim-bolana no minono. 18% ny taha ao Amboasary Atsimo ary 55% ao Ambovombe. Antony tsy mampitovy ny taha ny fomba amam-panao manome lanja ny rano sy ny ranon-tsakafo hafa ao anatin’ny enim-bolana voalohany. Eo koa ny tsy fampiharana ny lalàna momba ny fivarotana ny solon-dronono ary ny tsy fahombiazan’ny fanentanana amin’ ny tombontson’ny fampinonoana tsy misy fangarony ho an’ny enim-bolana voalohany. Efa misy ny fandaharanasa momba ny sakafon’ny zaza vao teraka sy ny ankizy madinika (ANJE) tohanan’ny Unicef.

Vonjy

Partager sur: