Vaovao tambatra

Hisy fanelingelenana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalana RN2, eo Antsampanana, Brickaville, Tapakala, Ambohimangakely. Izany dia manomboka ny 10 hatramin’ny 20 aogositra ho avy izao. Antony, misy asa fametrahana ny tambajotra fifandraisan-davitra « fibre optique » ataon’ny orinasa Orange. Hisy ny fandaminana ny fifamoivoizana eny an-toerana.
Hamokatra paty 4 taonina isan’andro ny Orinasa Allo Food Factory (Odof) eny By Pass. Mami­navina hamokatra sakafo vita amin’ny legioma azo afangaro amin’ny paty ihany koa ny orinasa. Mbola hampitomboina ireo olona enina miasa ao an-toerana ahafahana mampitombo ny vokatra sy manaparitaka izany manerana ny Nosy.
Miha mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ ny taona 2024. Manakaiky ireo antotanisa mialoha ny krizin’ny Covid-19 ireo mpizahantany tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana. Marihina fa fotoana nahabetsaka isa ny mpizahantany tonga teto amin­tsika ny taona 2019.
Ho tombanana ny asa vita amin’ny famokaram-bary eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fampiroboroboana ny sehatry ny vary aty Afrika (Card) izany. Ho jerena ny lesoka ary ahitsy izay tokony hatsaraina. Eo am-panomanana koa ny fihaonana an-tampony ny Card, hatao eto Madagasikara amin’ny taona 2025.

 

Partager sur: