Nitondra ny heviny manoloana ny hanoloran’ny praiminisitra ny fandaharanasa ho fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) koa ny mpitondra tenin’ny vovonana Firaisankina, i Paraina Auguste.
Nanamafy ny voalazan’ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, ny tenany tamin’izany. “Tsy manaraka ny lalàna io fiantsoana ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny parlemanta io sy ny fandrafetana ny politikam-panjakana ankapobeny”, hoy izy, omaly. Mazava ny voalazan’ny lalàna amin’ny fandrafetana izany PGE izany, araka ny nambarany. “Tsy maintsy miainga amin’ny filankevitry ny governemanta miaraka amin’ ny praiminisitra ny famolavolana sy fandrafetana izany ary mandalo ny filankevitry ny minisitra koa avy eo”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa tsy ara-dalàna raha olona roa ihany amin’ny alalan’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra samirery no manatanteraka izany, miaraka amin’ireo minisitra sasantsasany, efa nametra-pialana. Nanteriny fa tratran’ny ny fanenjehana fotoana ny amin’ny tsy maintsy hanatanterahana izany, mialoha ny 12 aogositra ny mpitondra fanjakana ka zary manaotao fahatany. Sahirana izy ireo amin’ny fananganana governemanta ka manao amboletra tahaka ny efa mahazatra azy, araka ny nambarany hatrany.
Mangina ny HCC
Etsy andaniny, notsikerainy koa ny eo anivon’ny HCC mangina, tsy ahitan-teny manoloana izany, ambarany ho fandikan-dalàna izany. Tahaka izany koa ireo mitonona ho mpahay lalàna tokony haneho hevitra hampahatsiahy fa tsy mifanaraka
amin’ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana izao ataon’ny mpitondra izao.
Tsahivina fa nanao fanambarana tsy mifanalavitra amin’izao koa ny filoha mpiara-mitantana ny Firaisankina, Ravalomanana Marc, afakomaly. Notsindriny tamin’izany fa tokony hitsangana, mialoha ny rahampitso zoma ny governemanta mba ahafahan’ ny praiminisitra manolotra ny fandaharanasa ho fanatanterahana ny PGE, eny amin’ny Antenimiera roa tonta.
Synèse R.




