Tsy ampy serasera

Niaraha-nahita ny tatitra nataon’ny Bianco, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Mbola manjaka sy aharaisana fitarainana be dia be ny sehatry ny asam-panjakana tena ampiasain’ny vahoaka. Misy minisitera fototra, tsy afa-misaraka amin’ny vahoaka maromaro, tena fositra. Mampihaiky volana ny « fametrahana kely ». Tsy main­tsy vola vao asa!
Sady mampalahelo no mahasosotra ny zava-miseho eny amin’ny biraom-panjakana. Tsy vitan’ny mitaky vola fa mampivezivezy. Tsy misy asa vita ara-potoana ny ankamaroany. Fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona no betsaka. Mitsena ny olona mpampiasa ny raharaham-panjakana ny teny anavona mandratra fo. Tena tsy misy izay maha mpiasam-bahoaka azy mianakavy!
Tsy sanatria mailaka ny hanome tsiny. Ilay manontolo lehiben’ny asam-panjakana mihitsy no marary. Andaniny, mitaraina fa kely karama izy ireo. Tsy hifanomezan-tsiny rahateo ny fimenomenomana noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Tsy mifandanja ny vola ampidirina sy ny vola mivoaka. Boka trosa ny ankabeazan’ny mpiasam-panjakana. Mandalo dia miserana, manao tsidi-pahitra fotsiny ilay « karama ».
Etsy ankilan’izay, anisan’ny fositra mampiroborobo ny kolikoly ihany koa ny tsy fahalalan’ny vahoaka ny zony. Manginy fotsiny ny tsy fahafantarana ireo dingana na antontan-taratasy ilaina. Manome vahana ny fanararaotana sy ny fanambakana izany. Noho ny fahakiviana sy ny fotoana lany dia alaim-panahy hitsolotra kely. Tsy te hivezivezy na ho sahirana dia aleo manome vola.
Boribory vetaveta eny ny fahalovana. Zary tandra vadin-koditra amin’ny vahoaka malagasy ilay kolikoly. Tsapa fa noho ny tsy fahampian’ny serasera sy ny fampahafantarana no mamandrika ny vahoaka ho tafajabaka amin’izany. Manararaotra koa ny mpanao kolikoly. Tsy vitan’ny fanentanana fotsiny, araka izany, ny ady atao fa mila fanabeazana sy fiaraha-mientana.

r.r

Partager sur: