Germain, tale jeneralin’ny hetra : « Manenjika 4 635 miliara Ar ao anatin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana izahay »

Sehatra iray mampimenomenona olona maro ny fomba fiasa eny anivon’ny ivon-ketra isan-tsokajiny. Manginy fotsiny ny vola aloa. Mi­tondra fanazavana mahakasika izany ny tale je­neralin’ny hetra, Germain.

* Gazety taratra (*): Andriamatoa Tale jeneraly, inona avy tompoko ny karazan-ketra tokony haloa eto Madagasikara?
– Germain, tale jenera­lin’ny hetra (-): Maro ny karazan-ketra anatiny misy eto Madagasikara fa fintiniko
amin’ireto sokajy ireto. Voa­lohany, ny hetram-panjakana. Ao anatin’izany ny hetra avy amin’ny tombombarotra na ny vola miditra mandritra ny taom-piasana iray, tahan-ketra: 20%. Misy ny hetra tambatra izay analana ny ampahan-ketra (acomptes) naloa mialoha. Tahan-ketra: 5%. Ny hetra amin’ny fananana mitera-bola amin’ny zanabola sy ny zana-tombony dia alaina isan-taona amin’ny fitomboan-karena azo avy amin’ny fananana mitera-bola na azo avy amin’ny petra-bola (zanabola, ny vola miditra rehetra azo avy amin’ny fampindramam-bola sy ny petra-bola ary ny fampiasam-bola ao anatin’ny orinasa, sns), tahan-ketra: 20%. Hetra alaina amin’ny karama sy ny mitovy aminy izay alain’ny mpampiasa amin’ny karaman’ny mpiasa ao aminy anatin’ny volana iray ary arotsaky ny mpampiasa eny amin’ny Sampandra­haran’ny hetra. Faharoa, ny hetra azo avy amin’ny fandaniana. Anisan’ny lehibe indrindra amin’ireny ny hetra amin’ny tataom-bidy na ny TVA, izay mitentina 20 % ny tahan-ketra. Misy koa ny hetra manokana ho an’ny entana misy fepetra toy ny sigara sy ny toaka na ny «droit d’accise». Ny hetra momba ny fanoratana na ny droit d’enregistrement, ary ny hetra amin’ny tsenambaro-panjakana izay
8 % ny tahan-ketra alaina. Ireo amin’ny ankapobeny ny karazan-ketra alaina. Fa afaka maka ny andinindininy amin’ny tranokalam-pifandraisana ihany koa ny mpanjifa.

* Nisy fotoana voalaza fa nihena ny fampidiran-ketra eto Madagasikara tamin’ity taona ity. Manao ahoana ny fahamarinan’izany?
– Tsy marina izany satria hatramin’ny taona 2019, tsy nitsahatra niakatra ny vola nampidirin’ny Fitaleavana an­kapoben’ny hetra. 2 500 mi­liara Ar izany tany amin’ny taona 2018, niakatra ho 3 641 miliara Ar ny taona 2023. Mi­he­vitra ny hanatratra 4 635 mi­­liara Ar izahay amin’ity tao­na 2024 ity. Raha ny enim-bo­lana voalohany, efa nahatafiditra 2 700 miliara Ar izahay. Efa tafapetraka ny paikady 2024-2028 ka hanenjika ny
13 % amin’ny tsindry ara-ketra izahay raha mbola itambarana amin’ny sehatra hafa izany. Tsara ho fantatrareo fa ny hetra anatiny no mampidi-bola betsaka indrindra ho an’i Madagasikara, ankehi­triny.

* Inona ny nahatonga izay fanatsarana ny vokatra goavana izay?
– Nitondra fanavaozana lehibe, niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, izahay. Nisy ny fampiasana ny teknolojia vaovao. Nana­faingana ny dingana fanangonana sy ny fandoavana hetra izany. Nampihena ny fikirakirana ravim-bola teny anivon’ny ivon-ketra isan-tsokajiny izany. Miditra amin’ny tranokalam-pifandraisana an’ny Fitaleavana ankapoben’ny hetra ny olona mijery ny dingana sy ny taratasy ilaina ary ny fanambaran-ketrany. Afaka nandoa avy hatrany ny anjara hetrany any amin’ny kitapombolam-panjakana izy ireny. Haingana sy azo antoka ny fomba fiasa. Mbola hanampy azy ireo ary an-dalana ny fametrahana ny tambajotra iray hanamorana kokoa ny fomba fandoavan-ketra, toy ny Saff izay iarahan’ny mpisehatra rehetra amin’ny fampidiran-ketra. Haparitaka manerana ny Nosy izy io ka hisitraka izany avokoa ny mpandoa hetra madinika sy ireo orinasa lehibe. Tsy mila mandalo birao intsony ny olona. Vita amin’ny fikirakirana ny teknolojia izany.
Ankoatra izay, misy ihany koa ny laharana maitso sy ivontoerana manokana handraisana ny mpanjifa na ny mpandoa hetra. Mandray ny fangataham-panazavana, mihaino ny fanamarihana na ny fitarainana, mizara torohevitra sy tari-dalana izany. Izahay ato amin’ny Fitalea­vana ankapoben’ny hetra no sampandraharaham-panjakana manana izany voalohany eto Madagasikara.

* Inona kosa indray tompoko ny atao hoe olana na fanamby tsy maintsy sedrainareo?
– Amin’ny ankapobeny dia efa mizotra araka ny iheverana azy ny asanay eto anivon’ny Fitaleavana momba ny hetra. Miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka va­hi­ny rahateo izahay amin’ny fametrahana fanamby mba hitondrana ny fanatsarana. Miara-miasa amin’ny Fanda­haranasan’ny Firenena mi­kambana momba ny fampandrosoana izahay, ny Banky iraisam-pirenena ary ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Ny olana lehibe, efa itadiavana vahaolana haingana izao, dia ny isan’ny mpiasa. Efa miha antitra ny olona ato aminay, 40 taona mahery eo izao ny salan-taona, betsaka no manakaiky ny taona handehanana hisotro ronono. Ny taona 2016 no nadray mpiasa farany izahay. Tsy afaka ny manapa-kevitra momba izay anefa izahay, satria iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy mitady tombony be­tsaka izahay, kanefa mamoaka fandaniana kely araka izay tratra. Iarahantsika mahalala fa anisan’ny mandany betsaka indrindra ny volam-panjakana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa.
Marihiko fa tsy misy fiantraikany amin’ny fanatrarana ny tanjona anefa izany. Mie­zaka hatrany izahay amin’ny fanatsarana miainga amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny hetsika manokana ara-tserasera. Misy ny hetsika isan-taona ampirisihana ny olona hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna, toy ny «Hetsika anjara hetrako», izay natao tamin’ny faritra 23 manerana ny Nosy.

 

Nangonin’i Riana Raymond

Partager sur: