Tena ilain’ny vahoaka malagasy ny karazana zavamaniry fanao fanafody. Ampiasain’ izy ireo hatao fitsaboana sy fanefitry ny aretina sy ny olana maro mety hahazo azy izy ireny.
Mampiasa zavamaniry fanao fanafody avokoa ny vahoaka maherin’ny 70 % eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Anôsy, Milamanana Chantal. Anisan’ ny nampiakatra io taha io ny fisian’ny valanaretina Covid-19 teto amin’ny Nosy. Nitombo, araka izany, ny filana sy fitrandrahana diso tafahoatra ny karazan-javamaniry. Manodidina ny 3 500 ireo karazan-javamaniry fanao fanafody eto amintsika. 150 amin’izy ireo no voatrandraka, ampiasaina ho lasa Raokandro malagasy. 60 karazana no aondrana any ivelan’i Madagasikara. Maro, araka izany, ny olona mitrandraka sy mivarotra ary manondrana azy ireny. Tsy manara-dalàna avokoa ny ankamaroan’izy ireo, raha ny vaovao voaray. Raha ny fantatra, ny 25 % ny fitrandrahana ihany no manara-dalàna, raha ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Traffic, teo anelanelan’ny taona 2018 sy 2023. Manodidina ny 150 000 taonina ny habetsaky ny zavamaniry fanao fanafody voatrandraka tao anatin’ny dimy taona. 38 000 taonina amin’izany no naondrana tany ivelany. Maro ny firenena mpandray ny vokatra avy eto an-toerana. Anisan’izany ny any Vietnam, Inde, France, Allemagne ary Belgique. Anisan’ny be mpanondrana any ivelany, ny zavamaniry antsoina hoe Talapetraka sy Voanenina. Amin’ny ankapobeny, mitentina 68 tapitrisa dollars isan-taona ny sandan’ny fivarotana ireo zavamaniry fanao fanafody ireo any ivelany. Ampahany betsaka amin’izany, ny zavamaniry naondran’i Madagasikara ny taona 2023, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Anisan’ny manimba azy ireny ny doro tanety
Maro ny tsindry mahazo ny karazan-javamaniry any anaty ala voajanahary nanomboka tamin’io fotoana io, raha ny eto Madagasikara. Toy ny zava-drehetra misy eto ambonin’ny tany, anisan’ny misedra olana ihany koa ny zavamaniry fanao fanafody. Olana sedrain’izy ireny ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny fivarotana ary ny fanondranana azy ireny any ivelany. Tsindry hafa ihany koa ny fahapotehan’ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fandoroana tanety sy ala ataon’ny olombelona… Ankoatra izay, ny hamaroan’ny olona mitrandraka sy mivarotra tsy ara-dalàna.
Hanasitranana aretina sy olana maro
Sehatra iray tena niroborobo sy nahitan’ny maro tombontsoa ny fampiasana ireo karazan-javamaniry fanao fanafody. Ampiasain’ny Malagasy ho fanefitry ny aretina maro mety mahazo azy izy ireny. “Manana hery afaka manasitrana, manome hery fiarovana manoloana ireo karazana aretina mpahazo ny olombelona sy ny biby izy ireny”, hoy ny olona nanontaniana. Ankoatra ny fanasitranana ny aretina, entin’ny olona hiarovana amin’ny loza sy olana maro mpiseho amin’ny fiainana andavanandro ihany koa izy ireny.
Hisian’ny paikady maharitra
Ilaina ny fananana Paikady maharitra sy ara-dalàna eo amin’ny fitrandrahana sy fivarotana ireo zavamaniry misy eto amin’ny Nosy. Mba hahafahana manatsara ny asa fiveloman’ny mponina eny ifotony sy hanatsarana ny sehatry ny fandraharahana. Tsy misy ny lamina amin’ny fanaraha-maso ireo zavamaniry otazana sy varotana. Tsy ampy ny torolalana mahakasika ny fomba fitrandrahana maharitra eo amin’ireo Vondron’olona ifotony. Ny fahatsapana izany no nahatonga ny fihaonan’ireo mpiantsehatra rehetra tetsy Andrainarivo, tamin’ity herinandro ity. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Traffic izany. Niompana tamin’ny fanatsarana ny fahalalana ny seha-pihariana zavamaniry fanao fanafody ny fihaonana. Tanjona ny hampiroborobo ny fitrandrahana sy fivarotana maharitra sy ara-drariny ireo zavamaniry fanao fanafody. Niaraka nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy sy ny fikambanana Traffic. “Anisan’ny nodinihina tao ny fijerena ny laharam-pahamehana hanatsarana ny fitantanana sy ny fitrandrahana maharitra ary ara-dalàna ireo zavamaniry fanao fanafody”, hoy Ratsimbazafy Cynthia, mpandrindra ny tetikasa Traffic. Antenaina ny hitondrana fanatsarana sy fanavaozana amin’ny fametrahana paikady tahaka izao, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nanatontosa : Mino