Hikaondoha mandritra ny roa andro, hikaro-bahaolana enti-manatsara ny sehatry ny indostria, ireo filoham-pirenena ao anatin’ny Sadc. Antenaina ny hisian’ny fiatraikan’izany ho an’ny sehatry ny indostria eto Madagasikara.
Tanterahina anio sy rahampitso, ao amin’ny Lapa vaovaon’ny parlemanta Mont Hampden ao Harare, ny fihaonana an-tampony faha-44 ho an’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ao anatin’ny Sadc. Anisan’ny miatrika izany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. «Promouvoir l’innovation en vue de découvrir de nouvelles perspectives de croissance et de développement économique durable en faveur de l’industrialisation de la Sadc». Io no lohahevitra hodinihina mandritra ity fihaonana an-tampony ity. Fikarohana paikady mahomby ho fanavaozana ny lafiny indostria, amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia vaovao no tanjona kendrena amin’izany. Voasolo tena avokoa ireo firenena 16 mikambana ao amin’ny vondrona Sadc.
Feno tanteraka ny programan’ny filoha Rajoelina Andry, anio. Hanatrika ny fivoriana mikato-trano izay handraisan’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana anjara ihany koa ny tenany aorian’ny fanatrehany ny lanonam-panokafana. Eo ihany koa ny fandraisam-pitenenana manakatona ny fihaonana sy fisaorana ireo filoha rehetra mandray anjara ao Harare Zimbabwe. Araka ny fomba mahazatra, ny firenena handray ny fivoriana manaraka no manao ny teny famaranana. I Madagasikara, araka izany, no handray ny fihaonana an-tampony faha-45 ny vondron’ny Sadc, amin’ ny taona 2025.
Anisany vaovao lehibe amin’izao fihaonana an-tampony izao ihany koa ny fidiran’i Madagasikara ao anatin’ny Troïka. Ity vondrona ity sy ny mpikambana ao aminy izay hanana andraikitra goavana sy mivantana amin’ny firenena mivondrona ao anatin’ny Sadc.
Lin