Miisa 26 ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar hiatrika ny fihaonana amin’i Tunisie sy i Comores, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2025. Tsy ao anaty lisitra i Clement Couturier.
Tsy toy ny mahazatra fa tamin’ny alalan’ny fampahafantarana tao anaty tambajotran-tserasera no namoahan-dRakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea, ny anaran’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena eo amin’ny fihaonana amin’i Tunisie sy i Comores. Omaly no nampahafantarany izany. Miisa 26 ireo nantsoina ka 3 amin’izy ireo no vaovao, i Johan N’Zi, milalao any Bulgarie sy i Fontaine Nicolas ary i Rayan Ponti.
Ny tena nahazendana dia ny tsy naha tao anaty lisitra an’i Clement Couturier. Nambaran’ny Me Rôrô ary nohamafisin’i Clement fa vao nifindra klioba izy ka niangavy azy ireo ekipany io hiatrika ny lalao manan-danja, amin’io fotoana io. Ankoatra izay, tsy ao anatiny ihany koa i Berajo sy Romain Métanire, izay vao avy narary ary i Marco Ilahimaharitra. Any amin’ny mpilalao fiandry i Boyer sy i Carolus ary i El Hadary.
Tsiahivina fa ny 5 septambra ho avy izao ny lalao hikatrohana amin’i Tunisie ary ny 9 septambra amin’i Comores. Fihaonana samy hatao ao Radès avokoa.
Tompondaka
Ireo mpilalao 26 nantsoina
Mpiandry tsatoby : 1-Nina (Elgeco Plus); 2- Teva Gardies; 3-Sonny Laiton
Mpiaro : 4-Demoleon (Enna Calcio); 5-Thomas Fontaine (FC Sochaux); 6-Sandro Denis; 7-Rajo Nirina (St Denis); 8-Tony (Elgeco Plus); 9-Rado (Elgeco Plus); 10-Kenji Van Boto (Pau FC); 11-Safidy Titouan (Dijon FCO); 12-Thierno Millimino (Mondorf)
Irakiraka : 13-Rojolalaina (St Pauloise FC); 14-Ibrahim Amada; 15-Raveloson Rayan (AJ Auxerre); 16-Johan N’Zi (Lokomotiv Plovdiv); 17-Andy Nantenaina (Disciples FC); 18-Tokinantenaina Olivier (St Pauloise FC)
Lohalaharana : 19-Tendry Mataniah (Disciples FC); 20-Lapoussin Loic (US Gilloise); 21-Rayan Ponti (US Orleans); 22-Fontaine Nicolas (Raal La Louviere); 23-Dorian Bertrand (St Denis); 24-Arnaud (El Gounah); 25-Hakim Abdallah (Dinamo Bucarest); 26-Cady Warren (Paris FC)
Ireo mpilalao fiandry : Geordan Dupire (Mpiandry tsatoby); Fabien Boyer (Mpiaro); Robin Busset (Mpiaro); El Hadary (Lohalaharana); Carolus (Lohalaharana); Julien Pontgerard (Lohalaharana)