Lohamenaka : tsy manome afa-tsy ny 1,3% ny filana isika

Malaza amin’ny fananana karazan-javamananaina miavaka i Madagasikara. Ani­san’ireo firenena mamokatra karazana lohamenaka maherin’ny 30 tsara kalitao indrindra maneran-tany ihany koa. Tao anatin’ny telo taona, 1,3% monja amin’ny filana maneran-tany sisa no vokatra avy eto an-toerana, raha ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Mitotongana ny vo­katra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ani­san’ny olana sedrain’ireo orinasa mpamokatra ny fahasarotan’ny rafitra mifehy ny lalàn’ny famokarana. Nilaza ny Banky iraisam-pirenena tao anatin’ny fanadihadiana na­taony fa maherin’ny 20% amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany no misedra olana amin’ny fahazoan-dalana.
Miara-miasa sy mikaro-ba­haolana manoloana izany ny fitondram-panjakana sy ny Von­drona mpanodrana lohamenaka (Gehem). Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ACP Business Friendly, vatsian’ny Vondrona eo­ropeana (EU) sy ny Orga­nisation of African, Caribbean and Pacific States (OACPS) vola.

Toekarena
Hiantraika mivantana amin’ ny toekarena malagasy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny famokarana. Nisy ny dinika momba ny lohameka natao ny volana mei teo. Hetsika nitondrana fanazavana amin’ny an­tsipiriany momba ny rafitra mi­fehy ny orinasa mpamokatra. Tanjona ny hahazoan’ireo mpisehatra torohay hoenti-manatsara ny famokarana. Ankilany, hanampy ny fitondram-panjakana hanazava ireo lalàna mifehy ny famokarana sy ha­namora ny fahazoan-dalàna ho an’ireo mpamokatra ihany koa ny hetsika natao.

Henintsoa H.

Partager sur: