Manana ny mampiavaka azy amin’ny hafa! Mpanakanto tia ny teny malagasy Rajaonarison Harinjaka Tsiry na i Tsiry. Miezaka manome vokatra amin’ny tenim-paritra samihafa ny tenany. Ny alahady lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera, namoaka ny hira mitondra ny lohateny hoe “Nge Tia” ity tovolahy misehatra amin’ny tontolon’ny hira ity. Ahitana tenim-paritra roa, vezo sy antaisaka ilay tonony.
Tanjon-dRajaonarison Harinjaka Tsiry, manana talenta vao misandratra anaty mozika, ny hampiray ny Malagasy rehetra indrindra ny hampisongadina sy hampiseho ny kolontsaina eto Madagasikara. “Amiko manokana dia iray ihany ny Malagasy, ary tsy tokony hisy ny olana amin’ny resaka fiavian’ny tsirairay”, hoy izy.
Ankoatra ny “Nge Tia”, misy ihany koa ny “Soa ie zay”, izay nataony amin’ny teny atandroy, ny “Anjarako”, natao amin’ ny fiteny merina sy betsimisaraka, ary ny “Tatamo”, vita amin’ ny fiteny sakalava. Notsiahiviny fa tamin’izy 14 taona no niditra voalohany teo amin’ny sehatra matihanin’ny zavakanto. Efa niara-niasa tamin’ ireo artista maro moa i Tsiry, anisan’izany ry Shyn sy i Denise.
Fitia Randria