Mivoatra ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika, taorian’ny nivoahan’ny lalàna vaovao mifehy azy, ny taona 2023, hampiasaina ny teknolojia niomerika hanamorana ny fitantanana.
Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), Rakotomalala Olivier, omaly, fa mavesatra sy be loatra ny lalàna mahakasika ity sehatra ity. Izany no antony nanavaozana azy, sady mila hampifanarahina amin’ny fenitra iraisam- pirenena. Misy ny lafiny nofintinina, nefa koa afaka miandraikitra maromaro. Toy ny nananganana ny Birao misahana ny vatosoa, ny jeolojia, ny laboratoara (BGGLM), sy ny Komitim-pirenena misahana ny harena an-kibon’ny tany (CNM), ohatra. Nohatsaraina koa ny fizarana fahazoan-dalana. Tsy maintsy natao izany satria manodidina ny 3 000 ny fangatahana mihantona nanomboka ny taona 2010.
Hampiasaina ny teknolojia niomerika, ka hatao amin’ny alalan’ny internet ny fangatahana fahazoan-dalana, fa tsy taratasy intsony. Fepetra tsy maintsy arahina, ary voasoratra anaty bokin’andraikitry ny orinasa na ny mpandraharaha, ny Andraikitra sosialin’ny orinasa (RSE). 3% amin’ny fampiasam-bola ho an’ny orinasa vaventy, ary sora-bola raikitra ho an’ny orinasa na mpandraraha madinika. Natao izany, mba hisitrahin’ny mponina eny ifotony ny tombontsoa ateraky ny fitrandrahana.
Hiverina hisokatra ny Base
Efa notaterin’ny praiminisitra Ntsay Christian, tafiditra ao anatin’ny Drafitrasa ankapoben’ny fanjakana (PGE) teny amin’ny antenimiera farany teo, fa hisy tetikasa fitrandrahana vaventy, harena an-kibon’ny tany, miisa roa amin’ny taona 2025. Nohazavain’ny minisitra Rakotomalala Olivier, fa « anisan’io ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara, satria, hitondra fampandrosoana eny ifotony ary hatao faran’izay haingana ». Ankoatra izany, manodidina ny 20 ny orinasa mitrandraka antenantenany ary maherin’ny 1 000 ny mpitrandraka madinika.
Njaka Andriantefiarinesy