16,2 miliara Ar no nentin’ny tetikasa Fihariana nanohanana ireo mpandraharaha manerana ny Nosy, ny taona 2024. Mbola hitohy ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika azy ireo amin’ny fananganana orinasa amin’ ity taona 2025 ity. Nahafahana nanakaiky ny mpandraharaha tokoa ny taona 2024. Mbola tsy nahavonto tany ny filatsahan’ny orana hatramin’ny sabotsy […]
Other News
Fieferamanga Arivonimamo: zana-kazo miisa 1 800 nambolena
Velaran-tany 53ha no nambolen’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola zana-kazo “érables” sy “frênes” ny zoma teo, tany Fieferamanga Arivonimamo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fambolen-kazo tanterahin’ny fitondram-panjakana nanomboka ny 16 desambra 2024 izany. Tanjona ny handrakofana ala ny toerana tafiditra ao anatin’ny tetikasa filamatry ny fitondram-panjakana « Ankohonana miarina ». Eo koa ny […]
Toekarena manga: mpanjono maherin’ny 500 nisitraka fampitaovana
Vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly na « fumoir » miisa 11 sy « tracteur frigorifique » no natolotry ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, sy ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana, Andriamamelasoa Lalaina, ireo mpanjono maherin’ny 500 tao amin’ny kaominina Maroalomainty, distrika Ambovombe, faritra Androy, omaly. […]
Fambolena ho an’ny taona 2025: hampitomboina 1 tapitrisa taonina ny famokarana vary akotry
Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny sehatra voalohany. Maherin’ny 7,8% ny taham-piakarana andrasana ka ho maherin’ny 9,5% ny sehatry ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny famokarana vary akotry hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina. Entina hanatanterahana izany ny fampiroboroboana ny teknika « PFUMVUDZA » izay mitahiry hamandoan’ny tany. Ho ampiasaina eto […]
Indray mijery
Nikisaka miankandrefana somary atsimo andrefana ilay rivodoza Dikeledi ka mahafaka 25 km isan’ora. Any an-dranomasina avokoa ny rahom-baratra mifandray mivantana aminy. Hiverina hitoetra ny oram-baratra, nanomboka omaly tolakandro, ka mety hanantombo ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra andrefana. Hikorontana hatrany ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra sy afovoany […]