Nisongadina indray ny Malagasy tany France. Nandrombaka ny medaly alimo nandritra ny fifanintsanana Karate, tany Paris, ny sabotsy lasa teo, Raveloarison Nombana, Malagasy mpikatroka, ao amin’ny klioba Shoshin Club Vannes France, sokajy seniors, -67 kg. Araka ny fanadihadiana natao taminy, ny katroka ady “kumite” ihany no natao tamin’io fifanintsanana io. […]
Other News
“Lalaon’ny CJSOI 2025”: taranja vaovao hifaninanana ny Beach soccer
Araka ny efa fantatra, hampiantrano ny andiany faha-13 amin’ny lalaon’ny Vaomieran’ny tanora sy ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025) i Seychelles. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 28 jolay ka hatramin’ny 10 aogositra izany. Fifaninanana natokana ho an’ny tanora 14 ka hatramin’ny 17 taona. Fanambin’ny fanjakana seiseloà […]
Fanomanana ny “Chan 2024”: nahitana fahombiazana ny fiantsoana mpilalao vaovao
Efa tafiditra anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tsy misy mpilaravinahitra, ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao voaray, omaly, lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony, tany Fianarantsoa. Nahazo vokatra tsara ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianja Ampasambazaha […]
Sombim-baovao
Taorian’ny andro nahafantarana fa niverina ao amin’ny klioba Ratchaburi FC Thailand Rakotoharimalala Njiva, tazana fa tompon-toerana avy hatrany izy afakomaly. Nahita fandresena tamin’ny isa 2 no ho 1, nanoloana ny Uthai Thani, ny klioba misy an’i Njiva, ary 73 minitra ihany ny fe-potoana nilalaovany teny ambony kianja. Nalain’ny klioba Saint […]
Tenisy ambony latabatra: hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika i Madagasikara
Malagasy mpilalao miisa efatra mianadahy, roa lahy sy roa vavy, no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping pong”, hatao ny 25 janoary hatramin’ny 2 febroary ho avy izao, any Tunis Tunisie. Raha ho an’ny lehilahy, ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany, Razafinarivo Antoine […]