Manohy ny diany mankany amin’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy 14 taona, vehivavy, ny Akomba de Madagascar. Ratsy kosa ny vokatra ho an’ny ekipan’olon-tokana. Samy nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa izy ireo. Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Windhoek Namibie, ny andro faharoa hiadiana ny […]
Other News
Taratry ny kanto
Seho an-tsehatra. Nahasarika tanora i Jyeuhair. Teny amin’ny Ony House Ambatobe no nanatanterahiny ny seho an-tsehatra voalohany teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Tontolon’ny rap no ahafantarana ity mpanakanto manana ny lazany ity. Anisan’ny fitaratra eo amin’izany izy noho ny fananany asa famoronana miavaka. Hanamarika ny faha-20 taonany ny faritany […]
Voalohan’ny taona: marobe ny voatsodrano
Anisan’ny fanao maneran-tany ny « mitsodrano » amina vanim-potoana na tranga mila izany. Iray amin’ireny ny taom-baovao. Marobe ny olona no voatsodrano… Saingy, mankaiza avokoa izy ireny? Toa tsy manan-kery raha ny filazan’ny sasany? Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny Malagasy izay maro teny tokoa manoloana ny olona hotsofin-drano mba… Matetika, ireo […]
ICC 2025: any Frantsa ny ekipa malagasy
«Coupe du monde des traiteurs» na «International catering cup» (ICC). Anisan’ ny tafakatra eo amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipa malagasy ahitana ny cheffe Fenosoa Rahajamalala (cheffe d’équipe), cheffe Bodo Rakotovao (coéquipier), coach Chef Lalaina ary Rocco Andriamiarisata (juré). Efa any Frantsa izy ireo hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « ICC » 2025, […]
Tsena any ivelany: manakaiky ny vidina gitara ny valiha
Anisan’ny zavamaneno mampiavaka sy ahafantarana an’i Madagasikara ny valiha. Manomboka mivelatra eo amin’ny tsena ivelany ny varotra atao aminy. Raha ny vidiny no iaingana, efa manomboka mitovy laharana amin’ny gitara. Tany ho any amin’ny faramparan’ny taonjato faha-18, nanomboka nalaza ny fampiasana ny gitara. Nisandrahaka haingana teo amin’ny tontolon’ny hira maneran-tany […]