Other News

Sombim-baovao

Manana hetsika lehibe iray, amin’ity taona 2025 ity, ny taranja bisikileta. Hampiantrano ny lalaon’ny ranomasimbe Indianina ny federasiona, ny volana ao­gositra ho avy io, raha tsy misy ny fiovana. Tsy mbola fantatra mazava anefa ny mpilalao hanao izany. Araka ny fikarohana natao, hiverina hanao fanazarantena ao amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, […]

Rugby XXL Top 12 « Vonona ny hanala vela ny TFMA », hoy ny Coach Loda

Hitohy ny 16 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana hahafantarana izay hanao ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 12, taranja Rugby. Anisan’ireo klioba hiatrika izany, ny TFMA Ankasina, ny Tam Anosibe sy ny Uscar, ary ny TFA Anatihazo. « Vonona tanteraka ny […]

Taranja tolona – ekipa nasionaly: hanomboka ny fampivondronana

Manana vina ny hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena maro ny Federasiona ma­lagasin’ny taranja tolona (FML), tarihin-dRaveloson Mamitiana. Nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, omaly, fa hiatrika sahady ny fampivondronana ny ekipa nasionaly izy ireo, ny faran’ny volana janoary, ka ireo izay nahazo ny laharana roa na telo voalohany isan-tsokajy tamin’ny fifaninanam-pirenena teo no miatrika […]

Barea de Madagascar: “Sarotra ho an’ny Federasiona ny manendry ny mpanazatra… ?”

Mifamahofaho tanteraka ny resaka ankehitriny, mahakasika ny fanendrena ny mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Mbola baraingo hatrany ny resaka, ny volana marsa efa akaiky. Herinandro mahery izay no lasa. Hatramin’ny omaly, tsy mbola na­moaka fanambarana ofisialy mahakasika izay ho mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Mada­gascar, […]

Karate: mpikatroka 121 mivon­drona etsy amin’ny ANS

Nisokatra omaly ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny taranja karate. Fampivondronana ireo mpikatroka eo amin’ny sokajy Cadets, Juniors ary Seniors no nanombohana ny taona, ka karatékas 121 no mivondrona etsy amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha. Fampivondronana izay hitohy hatramin’ny alahady 12 janoary izao. Nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny Karate-do ma­lagasy, Ratefinanahary Émile, […]