Mandalo an-tanindrazana i Jyeuhair. Teratany malagasy izy, saingy monina any Frantsa, efa ho 16 taona izao. Hanao seho roa ity mpanakanto mpanao rap, izay nasongadin’ny fandaharana “Nouvelle école” ity. Anio hariva ny seho voalohany, etsy amin’ny House Ambatobe. Ao ihany koa ny faharoa rahampitso, samy amin’ny 7 ora. Mialoha izay […]
Other News
Tojo Ravalomanana: “Tsy kandidà raha tsy nisy ordonansa”, hoy ny Ceni
Tamin’ny 3 oktobra 2024, tonga teny amin’ny Ceni ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, nametraka taratasy fanekena ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny fakana ordonansa. Izay ny fanazavan’ny birao mpanatanteraky ny Ceni, notarihin’ny tonia mpanatanteraka, Rakotondrasoa Tseheno, tamin’ny mpanao gazety, teny Alarobia, omaly, manoloana ny resabe ny amin’ny fakana […]
Valanjavaboaharin’i Ranomafana: « Tsy maintsy ho faty ny afo », hoy ny minisitra Andonirina Max Fontaine
Nanamafy ny minisitra Andonirina Max Fontaine tany Ranomafana, fa tsy maintsy ho faty ny afo ao amin’ny valanjavaboahary. Hosaziana mafy tsy misy indrafo koa izay nanao ny heloka. Nidina ifotony, nijery ny famonoana ny afo any amin’ny valanjavaboaharin’i Ranomafana, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina […]
Fampirantiana hosodoko etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Mpanatalenta 17 no mampiranty ny sanganasany eny an-toerana. Mandray anjara amin’ilay hetsika iraisam-pirenena, amin’ny fanatrarana ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra izy ireo, izay miainga avy any amin’ny ZeeArts any Dubaï. Nisy ny fikotrehana nandritra ny 24 ora, namoahan’ireo mpanakanto ny aingampanahiny. Revy Lôlô sy […]
Manomboka mivelatra amin’ireo firenena afrikanina hafa
Vokatra voalohany anisan’ireo nahaliana ny eto an-toerana sy ny any ivelany ny « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Taorian’ireo fifaninanana maro natrehiny sy ny amboara maro norombahiny, mitohy hatrany ny fampivelarana azy. Taorian’ny fitetezam-paritra teto Madagasikara, nampahafantarana ny horonantsary « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Mitohy any amin’ireo firenena afrikanina hafa ny fandefasana ity […]