« Mitarika amina salanisa 42,3% ny kandidà Ramanantsoa Harilala eto Antananarivo. Nanaparitaka ny vaton’ny TIM ny firotsahan-dRazafinjoelina Tahiana », hoy ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Ity farany izay nitondra fanazavana mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao teto Madagasikara, indrindra ny fironam-bokatra eto Antananarivo Nambarany, teny Ambohidahy, fa efa mitarika amin’ny isam-bato […]
Other News
Sangisangy zary tenany!
Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, tamin’ny herinandro lasa, ny sarin’i Madagasikara miloko volomboasary misy soratra hoe: « Amidy ». Asa inona no antony? Iza no mahazo tombony amin’ny fanelezana sy fanaovana ranty tahaka izany? Mampanontany tena sy mampieritreritra, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tena efa tompony mangataka atiny rahateo ilay Malagasy manana […]
Filoha Rajoelina Andry: “Isika tsy mihemotra manoloana ireo karazana tsikera”
Mbola milokaloka amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, omaly. ”Tsy maintsy mandroso isika, tsy mihemotra manoloana ireo tsikera”, hoy izy. “Isika kapaina vao mainka maniry, itsahina vao mainka mitsiry, haratsiana vao mainka mamokatra. Ireny fanaratsiana rehetra ireny dia toy ny zezika afafy, tsy mampihontsina antsika fa tsy maintsy […]
TSELATRA
Mitaraina noho ny famindran-toerana tampoka ireo zandary sasantsasany amin’izao an-katoky ny fety izao. “Fotoam-pialantsasatra lehibe vao tokony hisy ny famindran-toerana”, hoy ny solontenan’izy ireo. Mikorontana vokatr’izany, ny fianan’ny zanak’izy ireo izay mbola mandranto fianarana. Miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony ny zava-misy izy ireo. Nampisavoritaka ny sain’ny mponina eny Tsiadana ny […]
Nivarotra rongony : mpivady niara-voasambotra
Voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray mpamerin-keloka amin’ny fivarotana rongony tao Talata Volonondry, ny 13 desambra teo. Naharay fitarainana avy tamina olon-tsotra ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana. Voalaza fa misy mpivarotra rongony ary hiangonan’ireo mpidoroka ao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny tanànan’i Mahavariana. Natao ny fisavana, […]