Other News

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Coupe de Noel”, taranja karaté. Fifaninanana nokarakarain’ny ligin’i Vakinan­karatra, natrehan’ny teo anivon’ny federasiona, notarihan’ny filohany, Ratefinanahary Emile. Ny fifaninanana Fiba 3×3, taranja basikety no hanombohana ny « Agnambahy mifety », izay hatao any Vakinankaratra, ho amin’ny anio. Fifaninanana hanomboka anio ary hifarana ny […]

Judo-Female Training : Mpikatroka 30 no namaly ny antso

Tontosa ny alatsinainy 23 desambra lasa teo, teny amin’ ny Playbox Analamahitsy, ny “Female Training Camp”, taranja Judo, nokarakarain-dRasoanaivo Razafy Laura. Mpikatroka 30 no namaly ny antso sy naka traikefa tamin’i Laura. Nampiavaka ny fanazarantena ny niarahan’i Nofy (taranja Jiu-jitsu) sy i Rou­maica, judokas tompondaka tamin’ny Open De Dakar. Nifampizara […]

Rugby : Nivarina D2 ny UASC sy ny FTBA

Nifarana ny alahady 22 desambra lasa teo, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Taorian’ny fahavitan’ny andro faha-11 farany, mivarina any amin’ny D2 amin’ny taom-pilalaovana 2025, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny FTBA Andohatapenaka. Samy manana isa 17 ny Cheminots […]

Randriamanampisoa Alfred: Kandidà hofidina ho komity mpanatanteraka

Miezaka mivelatra amin’ny sehatra ambony kokoa ny Malagasy. Tazana anatin’ny lisitra hofidiana ho lasa komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf, Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny vaovao mahakasika ny lisitr’ireo kandidà maniry ny hiditra anaty komity mpanatanteraka ny kaonfederasiona Afrikanina baolina kitra […]

FANTINA sy FINTINA

Nirary Noely feno fitiavana ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny tambajotra sosialy amin’izao fankalazana ny Krismasy, andro nahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo izao. Mba ho fanantenana ho anao sy ny ankohonanao izany, araka ny nambarany. “Andriamanitra anie hitahy sy hanazava ny lalana diavintsika ary hitari-dalana antsika hatrany”, hoy izy. Nirary soa […]