Other News

Fadintseranana: hampidi-bola 4 366 miliara Ar ny taona 2025

4 366 miliara Ar ny vinavinam-bola hiditra ao amin’ny fadintseranana malagasy, araka ny volavolan-dalàna mi­fehy ny tetibolam-panjakana (LFI) 2025. Ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana vokatra ny 72%, raha avy amin’ny solika kosa ny 28%. Mitentina hatrany amin’ny 1 010 miliara Ar kosa ny haban-tseranana, raha tafakatra hatrany amin’ny 2 148 […]

Arabe migodana: mirefy 40 km ny asa fandravonana vita

Mirefy 80 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Efa misasaka, 40 km, ny asa fandravonana vita. Nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe mi­godana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ireo mpiara-miasa aminy, ny ala­tsinainy 6 janoary teo. Notom­ba­nana ny fivoaran’ny […]

Indray mijery

Ankoatra ny famangiana ireo mpianatra traboina vokatry ny firehetan’ny Cité Prefat N Andrainjato, nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Pr Cha­minah Loulla, nihaona tamin’ireo Conseils de direction koa ny tenany. Noresahina ny mahakasika ny lalàna mifehy ny fifidianana Filohan’ny Oniversite, ny ora fa­nampiny ary ny kalitaon’ny fampianarana. Noho ny olana ara-tsolika, […]

Taratry ny kanto

Anisan’ireo handray anjara amin’ny « Festival de rire 2025 » i Miranto Godar, mpanao hatsikana manana ny lazany, nipoitra tao anatin’ny dimy taona farany. Anisan’ny hahafantarana azy ny tsikiny vantany vao hita. Zary lasa anto-pivelomana ho azy moa ny hatsikana noho izay talentany izay ka lasa mpanao hatsikana matihanina sy […]

Fondation H: voaravaka hetsika ara-javakanto ny janoary

Misokatra sy ahitana hetsika maro samihafa eny amin’ny Fondation H Ambatomena, na mbola andro vitsy aza no niantombohan’ny taona. Ankoatra ireo fampirantiana mandravaka ity ivontoerana ity, amin’izao fotoana izao, hita eny an-toerana ny atrikasa natao ho an’olon-tsotra. Eo ihany koa ireo fampiofanana sy velakevitra misokatra ho an’ny rehetra. Amin’ny ankapobeny, […]