Other News

Taekwondo WT: hatao any Vakinankaratra ny fifaninanana nasionaly

Raha ny fanadihadiana natao omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo WT (FMTKD), hatao any Antsirabe, ny volana aogositra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanana ny lanjany tanteraka ity fifaninanam-pirenena ity. Ny efatra voalohany isan-tsokajy ihany no afaka miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hotontosaina […]

Baolina kitra – «Chan 2025»: hatao amin’ny 15 janoary ny antsapaka

Izay vao raikitra. Hatao ny alarobia 15 janoary ho avy izao, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina «Chan 2025». Nampahafan­tatra izany, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Ny lanonana dia […]

Indray mijery

Manohy ny fanadiovana ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anton’izany ny loto nateraky ny fety noho ny hamaroan’ny olona nivezivezy tamin’ireo hetsika sy fiantsenana maro. Nimasoana aloha ireo toerana tena be olona toy ny teny Ambohijatovo sy Analakely. Hitohy eny amin’ny toerana hafa sy ireo misy tsena izany. Mpianatra 260 […]

Toekarena manga: hanome tohana 100 000 euros ny Vondrona eoropeanina (UE)

Mitentina hatrany amin’ny 100 000 euros ny tohana omen’ny Vondrona eoropeanina (UE) ho fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga. Fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra, araka ny fifanarahana amin’ny jono, andiany faharoa, hiarahana amin’ny UE. Hiompana amina sehatra dimy ny fandaniana amin’ity taona ity, izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny […]

Mampanahy ny hoavin’i Madagasikara

Mampikaikaika ny maro ny volana janoary toy izao. Vanim-potoana mampiiba ny toekarena sy ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano. Ao ireo manokana tetibola hanaovana fety, misy kosa ireo efa manomana sy nikajy sahady ny fitantanana mandritra ity volana ity. Na izany, sarotra ny fitantanana manoloana ny fisondrotry ny vidin’entana. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny […]