Other News

Ambana noho ny nendran-drajako : mila hamafisina ny hery fiarovana sy ny fanajana ny sakana rehetra

Anisan’ny aretina miparitaka aty amin’ny kaontinantan’i Afrika ny nendran-drajako. Miseho amin’ny endrika fahabokana eo amin’ny vatan’ny olona iray izany. Efa fantatra mialoha ny fisehoan’ity aretina ity ka ilaina ny fitandremana izany mba hisorohana ny fiparitahany. Manoloana ny ambana noho ny variole du singe (Mpox) na ny nendran-drajako maneran-tany, «ilaina ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Volavolaina ny didim-panjakana mifehy ny vidin’ny herinaratra, ho an’ny mpisehatra amin’ny herinaratra. Mandray anjara amin’izany ny teknisian’ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny ORE, ny Jirama ary ny Ader. Manohana ny fanatanterahana azy ny Banky iraisam-pirenena miaraka amin’ny kabinetra matihanina. Miisa 22 ny mpanjono any Farafangana miofana mikasika ny Rafitra amin’ny loza […]

Hanamafy ny fahaiza-manaony : Malagasy 14 hianatra sy hiasa any Japon

Hanainga, anio, ny ampahany amin’ireo Malagasy 14 mianadahy nisitraka vatsim-pianarana any Japon, raha amin’ny herinandro ho avy kosa ny ampahany manaraka no hiala eto an-tanindrazana. Ny dimy amin’izy ireo no nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fampi­a­narana, ny Kolontsaina, ny Fanatanjanhantena, ny Sian­sa ary ny Teknolojia japoney ka ny efatra hianatra […]

Tsy ho mahery am-boalohany !

  Mandrakotra ny tambajotran-tserasera ireo minisitra sy ny sekreteram-panjakana amin’izao fotoana izao. Milomay mampiranty ny hetsika ataony avokoa. Tena mahavelombolo raha ny fisehosehoana tamin’ny herinandro voalohany. Tafiditra tsara amin’ny hafangainam-pandehan’ ny lamasinina TGV izy rehetra. Manodoka sy mitondra tsirim-pantenana izany ilay fomba fiasa. Hirariana tsy hafana fo am-boalohany fotsiny na […]

Andriamparany Carl : hampandroso an’i Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany

Nisy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Oniversite Toliara, ny 22 aogositra teo, mikasika ny harena an-kibon’ny tany. Nandray anjara tamin’izany ny tonia mpanatanteraka ny Antenimieran’ny harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl. Nohazavain’Andriamparany Carl, manoloana ny mpianatry oniversite, fa manan-karena ambanin’ny ta­ny i Madagasikara, izay afa­ka mi­­tondra fampandrosoana ara-toekarena. Hampihena ny fahazotoan’ny mpampiasa vo­la […]