Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Fenoarivo Atsinanana, omaly. Taksiborosy hihazo an’i Mananara Avaratra ity tra-doza tampoka teny am-pandehana ity. Voalaza fa tratran’ny olana ara-teknika ilay taksiborosy ka nivadika avy hatrany. Trano 85 tafo indray kila hotohoton’ny afo tao amin’ny fokontany Morafeno Farafangana, ny sabotsy alina teo. […]
Other News
Niafina tany anaty fasana : maty voatifitry ny zandary i Lelin sy i Leja
Maty rotiky ny balan’ny zandary tao Foulpointe ny jiolahy roa fantatra amin’ny anarana hoe i Lelin sy i Leja, raindahiny amin’ny fanafihana. Nisitrika tao anaty fasana cimetière ireto jiolahy ireto mialoha ny hanao fanafihana. Teo am-piomankomanana ny hanao ny asa ratsiny ry zalahy no nisy nahatsikaritra tao amin’io fasana io. […]
Naiditra am-ponja: Jiolahy nanafika mpivarotra saribao
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny 21 aogositra 2024 lasa teo, ireo jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana mpivarotra saribao teny Ambohimanarina. Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) no nisahana ny fanenjehana ireto jiolahy ireto. Nanafika toeram-pivarotana saribao teny […]
Lozam-pifamoivoizana: fiara nirimorimo nitrongy trano
Notrongisin’ny fiara ny tranon’olona iray eo Soarano, ny zoma alina hifoha sabotsy teo. Noho ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Vokatry ny tandrevaka nataon’ny mpamily no nahatonga ny loza satria tsy voafehiny intsony ny familiana noho ny hafainganam-pandeha diso tafahoatra. Nifatratra tany amin’ilay trano fivarotana ny fiara sady tafahanika […]