Tontosa ny faran’ny herinadro teo, teo amin’ny kaominina Anjomanitsara, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny depioten’ny distrikan’Isandra, Raoto Ralambozafy. Nambarany fa hifototra amin’ny andry dimy ny fampandrosoana any an-toerana: ny fampianarana, ny fandrimpahalemana, ny fahasalamana sy ny fambolena ary ny fiompiana. “Faritra mena ny aty Isandra teo aloha fa efa fongotra ny […]
Other News
Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Mody mihavana isika raha miaina tsy fahamarinana”
Nanafatrafatra ny rehetra ny eo anivon’ny fiangonana Katolika, tamin’ny alalan’ny kardinaly Tsarahazana Desiré, tany Antsiranana. Voaresaka ankolaka ny momba ny raharaham-pirenena. “Lasa mody mihavana isika raha miaina ao anatin’ny tsy fahamarinana, manambaka ny hafa, manao tsindrihazolena. Lasa mody mihavana isika raha mbola miaina ny fanavakavahana”. Io ny hafatry ny arsevekan’i […]
Famokarana anaty rano: seha-pihariana mahavelona
Midadasika, mahatratra hatrany amin’ny 400 km ny sisin-dranomasin’ny faritra Sava ary manana renirano 3 000 miaraka amin’ny matsabory miisa 146, izay ahitana harena an-dranomamy sy an-dranomasina maro. Azo trandrahina tsara sy mahavelona ny famokarana atirano. Miteraka asa sy mampidi-bola ho an’ny tokantrano izy ary antoka ho an’ny fihariana ifotony. Tombony […]
Firenena Japonais: hanohana ny fanitaran-drano ao Toamasina
Vonona hanohana ny tetikasa fanitarana sy fanatsarana ny rafitra famatsian-drano ao Toamasina ny firenena Japonais. Voaresaka manokana izany nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Japonais, Kamikawa Yoko, nandritra ny fivoriamben’ny Ticad. Vonona hanamafy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ireto tomponandraikitra amin’ny fampiroboroboana ny […]
Tetikasa fanondroana ara-jeografika: Hifanome tanana ireo tantsaha 80
Vonona hifanome tanana ho fanantanterahana ny tetikasa fanondroana ara-jeografika ireo mpamokatra ao amin’ny faritra Matsiatra ambony. Hampandany ny volavolan-dalàna entina hampiharana izany ny solombavambahoaka voafidy tao Isandra, hoy izy nandritra ny atrikasa niarahany tamin’ ireo mpamokatra ao an-toerana, ny zoma teo. Marihina fa natao hiarovana ireo vokatra isam-paritra izay manana ny […]