Other News

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio hariva, ny tarika Rajery. Ho hita mandritra ny seho ireo hira nankafizan’ny maro ny tarika. Vonona ny hanome fahafaham-po ny mpankafy sy hamoaka ny tsara indrindra avy aminy izy ireo, mandritra izany. Hifarana tanteraka, anio, ny “Salon des jeux de société” andiany faharoa, […]

dr razafindrakoto idah: hitafa amin’ny Malagasy mpanao sary

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny tafatafa sy resadresaka iarahana amin-dRazafindrakoto Idah, tovovavy malagasy mpiangaly ny fanaovana sary. Ireo mpiantsehatra eo amin’io tontolo io no andrasana ao anatin’izao hetsika izao. Anisan’izany ireo mpanao hosodoko, mpanao sary ary mpanao tantara an-tsary. Tanjona ny hizarana fahaiza-manao matihanina […]

LITERATIORA: Hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

Hisy tafa sy dinika iarahana amin’i Johary Ravaloson, ny 28 septambra 2024, eny amin’ny Intsitut Français de Madagas­car (IFM) Analakely. Filazala­za­ny sy fampahafantarany ny mo­m­ba azy, indrindra amin’ny ma­ha mpanoratra boky matihanina azy no handravaka ny fandaharam-potoana amin’io. Tanjona ny hampiroborobo ny zavakanto, indrindra ny asa soratra malagasy. Izany indrindra […]

MSK: Voatendry ho minisitra i Mara Volamiranty Donna

Nahazo minisitra vaovao ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Fantatra nandritra ny fanendrena notontosaina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, fa voatendry hitantana io departemanta io ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Raha ho an’ny kolontsaina manokana, maro ny asa miandry ny minisitra vaovao. Anisan’izany ny fanatsarana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny […]