Other News

Ambohimangakely: mpanendaka fito lahy voasambotra

Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy miisa fito mpanao asa ratsy eny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Efa misy intelo nifonja ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Manendaka sady mamaky trano eny amin’ireo kaominina manodidina izy. Manao fanafihana mitam-piadiana, mamaky fiara sy manendaka eny amin’ny toerana mangingina, toy ny eny Ambohibe, kaominina Ilafy, […]

Lozam-pifamoivoizana : lehilahy maty voahosin’ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 60 taona tao Ambohimahasoa, omaly maraina. Nijanona hisakafo, nametraka ny fiarabe teo amoron-dalana ny mpamily. Tsy tana tamin’ny alalan’ny kaly tampoka io kamiao io ka nifaoka trano maromaro teo amin’ny sisin-dalana. Nifanindry an-dalana tamin’io fotoana io, tsy tafatsoaka ny fiara namantana tamin’ny tsena amoron-dalana […]

Nitsirara tampoka…: Raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Namoy ny ainy vokatry ny hanoanana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. Tsy avotra intsony ny ainy! Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no hitan’ny fokonolona nitsirara tampoka tamin’ny arabe tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: manome tohana antsika ny firenena Egyptianina

Mandray anjara amin’ny fiofanana mahakasika ny fampamokarana anaty rano ho an’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika i Mada­gasikara amin’ny alalan’ny Talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Alao­tra Mangoro. Hetsika izay atao ao amin’ny ivontoerana iraisam-pirenena Egyptianina momba ny fambolena (Eica) ao Le Caire, Egypta. Manotrona izany koa […]

Fampiroboroboana ny fandraharahana: Vinavinaina hiara-hiasa ny Dric Itasy sy ny RNA

Miroso amin’ny dingana fakan-kevitra ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra (Dric) Itasy sy ny Région Nouvelle aquitaine (RNA) hirosoana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampivoarana ireo orinasa kaoperativa ao amin’ny faritra Itasy. Namelabelatra ireo andraikitra sahaniny sy ny vinan’ny minisitera ny Dric nandritra ny fihaonany […]