Other News

Tokely Justin : “Vonona hiady amin’ny kolikoly ny depiote”

Nanao fanambaram-pananana ny solombavambahoaka, omaly. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimerampirenena, i Tokely Justin. “Zava-dehibe ny fanaovana fanambaram-pananana, hanaporofoana fa vonona hiady amin’ny kolikoly ary tsy hanao izany kolikoly izany ny solombavambahoaka”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm­panorenana (HCC), Am­bohidahy, omaly, tamin’ny fametrahan’ny […]

TSELATRA

Nidina an-dalambe nandoro kodiarana ny mponina etsy 67 Ha noho ny fahatapahan-jiro lavareny, omaly. Ankoatra ny haizina izay efa saika ho isan’andro ateraky ny fahatapahana, mitaraina ho simba entana amidy koa ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina. Ramatoa mpivarotra rongony tra-tehaky ny zan­dary tao Analalavabe, Ambodivoanio, distrikan’i Mana­nara Avaratra, afakomaly. Nahatrarana […]

Ambohimangakely : mpangalatra efatra voasambotra

Ravan’ny zandarimaria sy ny fiaraha-miasa avy amin’ny tsara sitrapo ny andian-jiolahy mpangalatra ireo akora ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana, teny Ambohimangakely, ny 10 aogositra teo. Valo lahy nitondra fiara sprinter, nanangona ireo fitaovana izay hanamboarana ny ivontoeram-pamokarana herinaratra miisa telo hanampiana ny filan’ny mponina eto an-dRenivohitra. Tariby an-jiro, vy sy […]

Naiditra am-ponja: jiolahy efatra nanolana mpianaka

Natolotra ny fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo efa-dahy nanolana sady nandroba mpandraharaha iray sy ny zanany. Tratra teny Ankadikely Ilafy sy 67 Ha ireo olon-dratsy. Vaosambotry ny polisim-pirenena avy eo amin’ ny sampana heloka bevava sakelika voalohany (BC1), ny olon-dratsy efatra mirahalahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana niaro fandrobana, […]