Other News

VAOVAO TAMBATRA

Hampiakarina ho 10 tapitrisa dolara ny tanjon’ny Fondation Tany Meva. Tetibola hampiasainy, ao anatin’ny drafitrasa amin’ny taom-piasany mandritra ny 5 taona, io. Mamatsy vola ny tetikasa eny ifotony ity fikambanana ity, miaraka amin’ny fanohanan’ny mpiray miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) aminy samihafa eto an-toerana. Anisan’ny tanjona ny hanarenana ny ara-tontolo […]

Jirama: Tsy hiakatra ny vidin-jiro

Mitaintaina ny mpanjifa sao mety hisondrotra ny saran’ny fakitoran’ny Jirama, indrindra ny herinaratra. Ni­tondra fanazavana ny Prai­minisitra, Ntsay Christian, oma­ly, fa tsy vahaolana izany fisondrotana izany ho an’ny besinimaro, satria efa sahirana ny isan-tokantrano. Noma­rihiny kosa anefa, fa misy ny fanitsiana, ary hisy ny fifampiraharahana amin’ny Von­dron’ny mpandraharaha (ny Gem, […]

Tany Meva: hohatsaraina ny fomba fitantanan’ny fikambanana eny ifotony

Natao sonia omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Fondation Tany Meva sy ireo fikambanana ifotony (OC) misehatra amin’ny tontolo iainana. Miara-miombon’antoka amin’ny fifanarahana ihany koa ny MNP sy ny ONG Fanamby. Mifantoka amin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny fitantanan’ny Fikambanana ifotony (OC) ny fifanarahana. Tafiditra ao anatin’ny fanohanan’ny Tany Meva ny fanatanterahan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Ny tolakandron’ny omaly vao nifarana ny « Festival Sômaroho”. Iny efa mahazatra ny mponin’i Nosy Be ihany, saingy ny nampiavaka azy tamin’ity, navelan’i Wawa ho an’i Fandrama indray izany. Tarika marobe no nifandimby an-tsehatra tao amin’ny kianjan’Ambodivoanio, nandritra ny efatra alina nisesy. Nikatona ny alahady teo ihany koa ny “Festival Sobahya”, […]

Fitsirihana talenta ao Antsirabe: hifantina mpilalao tantara ny Bira Ti’Art

Anisan’ireo milalao tantara amin’ny onjampeo ny fikambanana Bira Ti’Art. Ho fanandratana avo ny sehatry ny tantara an’onjampeo, nambaran’ny filoha mitarika azy ireo, Yanita Parson, fa ao anatin’ny fanitarana ny hetsika sy ny sehatra ataony izy ireo amin’izao fotoana izao. “Fanombo­hana izany ny fitsirihana sy fifantenana ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo […]