Other News

Kabary: nanatanteraka hetsika maro sosona ny Fi.Mpi.Ma

Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ny lehibe sy zokiny indrindra amin’ny fikoloana sy fampivela­rana ny tontolon’ny kabary malagasy. Nanatanteraka hetsika lehibe ny faran’ny herinandro teo. Tao anatin’ny tapakandro maraina. Fandaharam-potoana maro sosona no notanterahin’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), ny sabotsy 10 aogositra teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina […]

Fizahantany: sehatrasa afaka mampandroso firenena

Anisan’ireo mitana anjara toerana amin’ny fampi­roboroboana ny sehatry ny toekarena ny fizahantany ho an’i Mada­gasikara mano­kana. Maro ny vo­ka­tsoa na dia eo aza ny voka-dratsy entiny. Mitana anjara andraikitra lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena iray ny fizahantany. Sehatrasa afaka mampiarina ny fiainam-bahoaka, mitondra fampandrosoana eo amin’ny firenena, indrindra eo amin’ny toerana […]

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: “Inoana fa ho tanteraka avokoa ny PGE”

“Ny zavatra nolazain’ny Praiminisitra ny amin’ny fandaharanasa fanatanterahana ny PGE dia inoana fa ho tanteraka avokoa”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko GJMP tany Betroka, Faritra Anosy, Ran­dria­nasolo Jean Nicolas, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) amin’izao fe-potoam-piasana izao. […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony haharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha Rajoelina Andry ireo tomponandraikitra, araka ny nambaran’ny governoran’Analamanga, Rasoa­maromaka Hery tetsy Mahamasina, afakomaly. “Mila miezaka mafy isika amin’izany mba hanatanterahana ny vina napetrany”, hoy izy tamin’ny fizarana “Tsimbina”. Nitohy indray ny hetsiky ny vehivavy MMM. Nivarotra fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ilaina amin’izao fampidirana mpianatra izao […]

Tan-dalàna… tsara tantana

  Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana amin’izao ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy vitan’izany, atao ho anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana. Ao anatin’izany ny fanjakana tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly… Mby aiza? Matoa atrehina manokana izany, tsy mbola tonga amin’izay iheverana azy. Na tsy mbola mety kolontsaina mandeha ho azy ny fanarahan-dalàna. Misy hatrany […]