Other News

Fifanakalozana ara-barotra: hitohy 10 taona manaraka ny Agoa

Tsara ny vokatra. Resy lahatra ny hanohizana indray ny fahafaha-manondrana eo amin’ny tsenam-barotra African Growth and Opportunity Act (Agoa) ny kongresy amerikana, nandritra ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington DC. Andrasana ny fotoana hanavaozana ny lalàna amerikana momba ny fifanakalozam-barotra ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra, amin’ity taona ity. […]

Tsena iraisam-pirenena: hanondrana vary isika amin’ ny taona 2027

Mikasa hanondrana vary mainty sy mena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara manomboka ny taona 2027 rehefa tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionalin’ny fampiroboroboana ny vary, SNDR3, ny tetikasa fanondranam-bary ataon’i Mada­gasikara ny taona 2027 raha vao tratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Maharitra taona maro ny fanomanana ny […]

Andrianarison Jhone Love : “Fahasalamana ho an’ny mpiasam-panjakana ny Asief”

Mpiasam-panjakana miisa 13 000 manerana ny Nosy no tonga ao Antsirabe, nandritra ny fanokafana ofisialy ny fifaninananana nasionaly Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires), ny sabotsy lasa teo. Tamin’ny alalan’ny diabe niainga teo amin’ny Lalan’ny fahaleovantena ni­hazo ny kianja mitafo Vato­fotsy no nanombohana tamin’ ny fomba ofisialy ity fifaninanana […]

Asief – Karate : fandresena faha-14 ho an’ ny Antenimierampirenena

Fahombiazana tanteraka no azon’ny Antenimieram­pi­renena teo amin’ny taranja karate, nandritra ny fifaninanam-pirenena Asief 2024, natao tany Antsirabe. Nahazo ny laharana voalohany izy ireo ary nandrombaka medaly volamena 17. Efa faha-14 izao no nahazoan’ity Andrimpanja­kana ity fandresena hatramin’ izay nisian’ny fifaninanana. Nambaran-dRafalimanana Voahirana, filohan’ny taranja karate eo anivon’ny Antenimi­e­rampirenena, fa na […]