Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly […]
Other News
Afo tany Isalo: olona iray voasambotra
Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety manodidina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana […]
Mpanjono: tanjona ny hananana matihanina 37 500 isa
Mandray anjara feno amin’ ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famatsiana ny mpiara-belona manerana ny Nosy ary manome lanja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Tantsaha avokoa ny 75% ny Malagasy ka ampirisihina ny hanatonan’izy ireo ny biraom-panjakana […]
QMM: hatokana ho an’ny sosialy ny 4 tapitrisa dolara isan-taona
Natao omaly, teto Antananarivo, ny fivoriana iombonana tanaty efitrano sy nampitain-davitra teo amin’ny QMM sy ny sehatra voakasika. Nodinihina ny Drafitrasa sosialy (RSE) ataon’ny orinasa. Tanjona ny hanangonana ny soso-kevitra rehetra avy any amin’ny sehatra maro, eken’ny rehetra. Haroso hankatoavina any amin’ny filankevitry ny minisitra avy eo ny votoatiny. Vita […]
Taratry ny kanto
Farakely ao amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela indray no tsy niaka-tsehatra izy. Saingy efa nanao safidy tsy hisaraka amin’ny mozika kosa anefa ka manome fotoana ireo mpankafy azy indray anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Ankoatra ireo hirany manokana, hizara ireo hira ankafiziny […]