Tsy teto Analamanga ihany. Nahazoana akony tsara ihany koa ny fankalazana ny « Iray volan’ny hosodoko » tany Atsimo Andrefana. Maro ireo tanoran’i Toliara no resy lahatra ka niroso tamin’ny fandalinana izany. Nandray anjara tamin’ny “Iray volan’ny hosodoko” ihany koa ny tany Atsimo Andrefana. Tsy nitsanga-menatra noho ny fankalazana izay […]
Other News
Fitetezam-paritr’ireo mpilalao tantara: hiaka-tsehatra any Moramanga ny Iray Fy’Art
Hitohy any Moramanga indray ny seho an-tsehatra hotanterahin’ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, Iray Fy’Art. Hotanterahina ao amin’ny Tranoben’ny serasera, Mangoro Ambohibary, Moramanga izany, ny alahady 25 aogositra izao, hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hoentin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ny tantara maneho ny fiainana andavanandro sy ny fifanjevoan’ny resa-pitiavana ary koa ny […]
Atrikasa sary varatava: tanjona ny zavakanto tsara kalitao
Tontosa omaly, teny amin’ny ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana Varatava. « Amener la ressemblance à nos portraits », ny lohahevitra novoizina nandritra ity atrikasa ity. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny varatava ». Tanjon’ny hetsika ny hanomezana sehatra ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana sy hampivelarana ny tontolon’ny sary eto […]
« Jazz Quartier »: tanjona ny hampahafantatra ny Jazz amin’ny rehetra
Hitohy anio, amin’ny alalan’ny « Jazz Quartier » ny « Festival Jazz tohatohabato » andiany faha-13. Miainga amin’ny 9 ora maraina eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, mandalo an’Ambohidahy, Anosy, Andavamamba, 67ha, Antanimena, Tsaramasay, Analamahitsy ary hifarana eny Sabotsy Namehana izany hetsika izany. Mpanakanto mpiangaly Jazz maro no hifandimby hanafana ny sehatra mandritra izany. Fiarabe […]
Noho ny « kolo saina maoderina »: nanjary mora fitahina ny Malagasy
Tahaka ny vatana mila koloina sy omena sakafo sahaza azy ny saina. Nanana amby ampy tamin’ireny ny Malagasy fahiny… Amin’izao vanim-potoana izao, nisy ny fiovana noho ny antony maro. Iray amin’ireny ny tantara. Nanana ny fiantraikany tamin’ny Malagasy izany ! Fitaizana, fanabeazana… Samy sehatra lehibe hoenti-mikolo ny saina. Ho an’ny Malagasy, […]