Tsy mendrika hilahatra rano hatramin’ny misasakalina isan’andro ny vahoaka, araka ny nambaran’ny depiote Gascar Fenosoa. “Efa aty amin’ny taonarivo fahatelo isika izao… Tsy andrenesam-peo anefa ny mpitondra, tsy miaina izany fahoriana iainan’ny vahoaka izany”, hoy izy tao amin’ny Facebook, omaly. Nanolotra fanomezana ho an’ireo mpianatra afaka CEPE sy BEPC ny […]
Other News
Izay mitambatra no vato
Tsy hita be ihany ny andraisana ilay fomba fisainan’ny Malagasy. Raha manana finiavana ny hila ravinahitra na hitondra politikam-pampandrosoana any amin’ny toerana hafa dia voailika. Voalaza fa tsy zanaky ny faritra na mpanjanaka maoderina. Raha mba manana drafitrasa ao an-tanàna indray anefa dia mpaminany tsy masina an-taniny izao indray! Tsy […]
Praiminisitra Ntsay Christian: hampahafantatra ny fandaharanasany
Nolanian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tetsy Ambohitsorohitra, ny didim-panjakana miantso ny fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta. Hotanterahina ny zoma 9 aogositra sy ny alatsinainy 12 izao izany. Anisan’ny lahadinika ny fampahafantaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, amin’ireo parlemanta, ny fandaharanasa hanatanterahina ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Voafaritry ny And.99 amin’ny Lalàmpanorenana izany ary […]
Tselatra
Tafakatra dimy ireo namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina « fano », tao Ambinany Atsimo, Ambomitraka, kaominina Antalaha, hatramin’ny omaly. Zaza vao herintaona mahery ny iray tamin’ireo namoy ny ainy. Nanaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly ireo lasibatra hafa. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona efatra voarohirohy ho nanaparitaka laza adina bakalorea, […]
Asan-dahalo: raim-pianakaviana voasambotra
Voasambotry ny Tafika ny raim-pianakaviana iray nihazona fitaovam-piadiana sy ody ratsy maromaro tao amin’ny tanànan’i Manitsy, fokontany Mahatsinjo, kaominina Fiarenana, ny 4 aogositra teo. Nandritra ny asa fampandriana fahalemana nataon’ny miaramila avy ao amin’ny Holafy fahefatra Ambaravaranala, tra-tehaka io olon-dratsy io. Natao famotorana lalina, fantatra fa zanak’ity voasambotra ity avokoa […]