Other News

Tsipy kanetibe – «Mada 2024»: hiatrika ny «Tournoi de St Pierre» i Drogba sy i Misa

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny olon-droa miaraka, lehilahy, eo amin’ny taranja tsipy kane­tibe ny ekipan’ny Mama. Norombahin-dry zalahy, araka izany, ny tapakila handehanana atsy La Réunion. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Tonga­rivo, ny fifaninanam-pirenena taranja tsipy kanetibe, ho an’ olon-droa. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ny […]

Indray mijery

 Nampahafantarina nandritra ny fananganan-tsaina nataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly, fa efa misokatra ny Ivontoeram-pampianarana teny anglisy CNELA (Centre national d’enseignement de la langue anglaise) any Toamasina. Manampy ny iray efa miorina sy mampianatra eto Antananarivo. Ampiofanina ireo rantsa-mangaikan’ny Ofisy nasionaly misahana ny fisorohana ny voina […]

Banky iraisam-pirenena: mponina 6 tapitrisa mahery hisitraka 205 tapitrisa dolara

Hisitraka tohana mitentina 205 tapitrisa dolara ireo mponina maherin’ny 6 tapitrisa avy eto Madagasikara, kaomoro ary Mozambika amin’ny alalan’ny fandaharanasam-paritra vaovao an’ny Banky iraisam-pirenena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nanka­toa izany Programme régional pour la préparation aux situations d’urgence et un relèvement inclusif (Repair). Fito andro aorian’ny loza voajanahary dia hisitraka […]

Vonona hanampy an’i Madagasikara ny Tahirim-bola iraisam-pirenena

Samy mahatsapa ny maha sarobidy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-bola ny fitondram-panjakana sy ny avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Izany indrindra no anton’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Am­bo­hitsorohitra, ny fandraisan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny solontena vaovaon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), i Kodjovi Mawulikplimi […]