“Aminay, tsy tokony hahazo hirotsa-kofidina izany mahaleo tena izany. Raha afa-mirotsa-kofidina ny mahaleo tena, tsy misy antony anaovana antoko politika”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), eo anivon’ny RMDM, Rakotondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana kaominaly. Ny lalàm-pifidianana tsy […]
Other News
Tena mafy ny ady !
Misahotakotaka ery ny isan-tokatrano amin’izao fotoana izao mandeha miala sasatra. Maro ny fianakaviana mamonjy ranomasina ny avy aty am-povoantany. Tsy vitsy ihany koa ireo avy any amin’ny sisiny, miakatra aty an-dRenivohitra. Tsy mahasakana ny fialana voly ny adim-piainana efa ho lava. Mifanindran-dalana amin’izay, miditra anatin’ny vanim-potoana ny famadihana sy […]
Tale jeneralin’ny Bianco: “Ireo mpandray isam-bolana no manao kolikoly”
Tafapetraka, omaly, ny vatofototra ho fanorenana ny fotodrafitrasa hiasan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ato anatin’ny faritanin’ i Toamasina. Nahitsy ny tale jeneraly, Andrianirina Laza, tamin’ny lahateniny. “… Matetika ireo mpikarama isam-bolana no mpandray kolikoly raha ireo madinika kosa no iharan’izany. Tena misy fiatraikany amin’ny sarambabem-bahoaka tokoa izany”, […]
TSELATRA
Nihitsoka teny an-dranomasina nandritra roa andro sy roa alina ny mpanjono roa lahy navadiky ny lakana tao Nosy Be, afakomaly. Tsy nisakafo sady tsy nisotro rano ireto farany. Avotra soa aman-tsara anefa izy ireo, satria tonga nanao ny asam-pamonjena ny teo anivon’ny Tafika an-dranomasina. Naratra mafy koa ny mpitondra moto […]
Fitrandrahana ala tsy ara-dalàna : dimy lahy naiditra eny Tsiafahy
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo mpikambana ao anatin’ny tambajotra mpitrandraka hazo sarobidy tra-tehaky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, afakomaly. Nitatitra hazo voamboana tao anaty kamiao, voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ka noraisim-potsiny ireo mpitrandraka. Miisa 122 ireo karazan-kazo sarobidy tsy azo trandrahana. Nahitana karazan-kazo sarobidy hafa […]