Other News

TARATRY ny KANTO

Piment Café – Rija, Luk ary Mahery. Angamba ity fiarahana ity no tena manamarika indrindra ny Piment Café Behoririka. Hiverina ao indray izy telo mirahalahy, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Ankoatra ireo hirany manokana, ilay mamerina hirana mpanakanto hafa no tena hanarahan’ny mpankafy ity fampiarahana talenta ity. […]

Iray Fy’Art : hiaka-tsehatra eny Antanetibe Mahazaza

Hanokafan’ny tarika Iray Fy’Art ny fampisehoany amin’ity taona ity ny fiakarana an-tsehatra eny Antanetibe Ma­hazaza. Hotanterahina ny alahady izao, amin’ny 1ora tolakandro, eo anoloan’ny “Can­tine” CEG Mahazaza izany. Lohatenin’ny seho hataon’izy ireo : “Ny herin’ny vola”. Tantara maneho ny fiainana andavanandro ifanjevoan’ny resa-pitiavana sy ny tazon-karena. Eo koa ireo trangam-piarahamonina […]

« Star Tour » Antsirabe: hanafana ny sehatra ry AmbondronA, Samoëla, Oladad…

Toy ny mahazatra, ny fetin’ny Paka any Antsirabe no manokatra ny « Star Tour ». Mpanakanto malaza maromaro no hifandimby an-tsehatra, mandritra ny telo andro amin’ity. Lanonana telo andro tsy an-kiato. Toy ny isan-taona, hosokafana any Antsirabe, mandritra ny fetin’ny Paka ny “Star Tour 2024”. Ny 30 sy 31 marsa ary ny […]

« Up Short Contest »: sarimihetsika 15 no hiatrika ny famaranana

Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Hakanto Con­temporary Ankadimbahoaka, ny fandefasana sy fifidianana ireo sarimihetsika miisa 15, tafita amin’ny dingan’ny famaranana ao anatin’ny « Up Short Contest », andiany voalohany, karakarain’ny Cine Up. « Ireo adin’ny vehivavy malagasy ». Io no lohahevitry ny fifaninanana izay ezahin’ireo mpifaninana resahina ao anatin’ny sarimihetsika mandritra ny 30 segondra hatramin’ny […]

«Festival Temps Fort Théâtre »: hiaka-tsehatra ny Mangano Massip

Ny Compagnie Mangano Massip, avy any Frantsa indray no hiaka-tsehatra eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ao anatin’ny «Festival Temps Fort Théâtre », anio. Mandri­tra izany no hilalaovan’izy ireo ny piesy teatraly « Les Aimants ». Vondrona mpiangaly teatra anisan’ny manana ny maha izy azy ny Compag­nie Man­gano Massip. Firene­na maro tao […]