Other News

100 andron’ny Filoha!

  Mbola manana 33 andro! nahavita ny androatokon’ny fotoana nomen’ny Filohan’ny Repoblika hampisehoam-pahaizana ireo mpikambana amin’ny governemanta. Hatreto, tsy hita izay tena misongadina afa-tsy izay tena mahay milalao serasera. Mahay manasongadina ny zava-bitany na kely toa ny loham-panjaitra aza izany. Ny sasany na ny anarany aza tsy henoheno, ny tare­hiny […]

Fadintseranana: nahazo ny loka fahaiza-mitarika ny tale jeneraly Lainkana Zafivanona

Natolotra ny tale jeneraly (DG) ny fadintseranana malagasy, ny Dr Lainkana Zafivanona, ny 14 sy ny 15 marsa teo, tany Addis Abeba Etiopia, ny loka « African Leadership Commendation Award ». Fankasitrahana natao nandritra ny lanonana ofisialy nokarakarain’ny gazety boky African Leader­ship Magazine, ho an’ny mpanao politika, ny mpitantana rafi-panjakana […]

TSELATRA

Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny borigadin’i Behenjy, omaly, ny jiolahy roa lahy avy nandroba vola 2 000 000 Ar, ny 18 marsa lasa teo. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo ny andron’ny fanafihana saingy tafaporitsaka. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny alika mpitsongo dia, izao tra-tehaka sy voatifitra izao izy ireo. Voasambotry ny zandary […]

Nanambana antsy tompon-trano : jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Naratra mafy, nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny mpamaky trano iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Fan­kakamandroso, kaominina Am­bohitranandriana, distrikan’ Antsirabe II, ny 18 marsa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, anatin’io fokontany voalaza io, ilay lehilahy mpangalatra, tamin’ny 4 ora maraina. Nihevitra izy fa mbola rendriky ny torimaso ny tompon-trano ka […]

Tanjombato: vehivavy nahatrarana héroïne 21 fonosana

Naiditra vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay vehivavy nahatrarana héroïne tetsy Tanjombato. Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina avy ao Anosy, ny talata 19 marsa teo, izy. Naharay angom-baovao ny mpitandro filaminana fa manaparitaka io karazan-javamahadomelina mahery vaika io, eny amin’ny kaominina Tanjombato sy ny manodidina, ity renim-pianakaviana ity. […]