Other News

Herinandro maneran-tany ho an’ny vola: mila mianatra mitantam-bola ny tanora malagasy

Fahombiazana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fahaiza-mitantam-bola. Hampahafantatra mahakasika ny tontolon’ny fitantanam-bola ny Global money week. Tafiditra ao anatin’ny herinandro maneran-tany ho an’ny vola (Global money week) isika izao. Hetsika karakarain’ny OCDE, ankalazaina amina firenena 176 maneran-tany. Mandray anjara amin’izany amin’ny alalan’ny fanentanana ny tanora hahay hitantam-bola i Madagasikara. Entina hanamarihana ny […]

TSELATRA

Tratran’ny polisy tao Toamasina, afakomaly ireo roa lahy tompon’antoka tamina halatra moto. Polisy iray nisahana ny fifamoivoizana no nahita lehilahy iray nampiakatra moto tamina cyclo-pousse, ka niroso tamin’ny famotorana avy hatrany. Fantatra tamin’izany fa moto halatra io nen­tin’izy ireo io. Jiolahy mpamerin-keloka amina halatra moto ireto tratran’ny polisy ireto. Ramatoabe […]

«Ahina ho matin’aretina»: lehilahy hita faty tao an-tanimbary

Hita faty tao an-tanimbary, teny Antsahakely fokontany Vonelina, omaly tolakandro, ny lehilahy iray, izay efa nokarohin’ny fianakaviany andro maromaro. Mbola hita teny am-babeny, tao anaty kitapo, ny entana vao avy novidiany. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Itaosy, araka ny fampitam-baovao nomen’ny rain’io lehilahy niharam-boina io : ” […]

Manazary : rangahibe tratra namboly rongony

Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny zandary, omaly tao Falimanarivo, kaominina Manazary Miarinarivo, ny rangahibe iray 73 taona tompona sahan-drongony. Nahazo angom-baovao ny zandary momba ny fisian’ity rangahibe ity miaraka amin’ny namany iray 40 taona mpanao trafikana rongony ao amin’ny kaominina Manazary. Nidina ifotony nanao fisafoana ny zandary mpanao fisafoana. Nahitam-bokany izany […]

Nisarahan’ny sakaizany: teratany thaïlandais nananton-tena

Hita faty, nihantona tamin’ny fametahana lambam-baravarana tao an-tranony ny teratany thaïlandais iray. “Ahina ho namono tena noho ny olana ara-pitiavana izy”, hoy ny zandary. Zava-doza! Teratany thaï­landais iray, miasa amin’ny orinasa lehibe ao Toamasina no hita faty tao amin’ny efitranony. Nifatotra tady ny tendany, nihantona tamin’ny hazo fametahana lambam-baravarana izy. […]