Other News

Andro maneran-tany ho an’ny Teatra : homena sehatra haneho ny talentany ireo mpianatra

Volana marsa, volan’ny teatra. Hisy hetsika maromaro hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ity sehakanto ity, ka anisany ny fifaninanana ho an’ireo mpianatra solontenan’ny sekoly maromaro. Marihina isaky ny 27 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny teatra. Misy hetsika maro ton­tosain’ny fianakaviamben’ny teatra, manodidina izany. Ho an’ity taona ity, hisy ny […]

Fianarana any ivelany: manomana 19 000 euros ny mpianatra iray miainga eto Madagasikara

Efa manomboka mahaliana ny tanora malagasy amin’izao fotoana izao ny fandra­toana fianarana any ivelan’ny Nosy. Tsy ataon’ izy ireo sakana ny fahabetsahan’ny vola omanina amin’izany. Nofinofy sy mahaliana ny ankamaroan’ny tanora malagasy ny handrato fianarana any ivelany. Manan-danja kokoa ny mari-pahai­zana iraisam-pirenena azon’ ny ankizy aorian’ny fahavitan’ ny fianarana ka […]

FANTINA sy FINTINA

“Hiaro ny marina ary ny marina hatrany aho”, hoy ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine, omaly, tany Frantsa. Nanteriny fa tokony hofadiana ny mirary ratsy ny tsy mitovy hevitra politika. Tsy rafitra koa no olana eto fa ny olona, araka ny nambarany. “Afaka manova ny tantara ny vehivavy”, hoy ihany izy. […]

Fiadidiana ny Repoblika : nivoaka ny anaran’ireo mpikamban’ny HCDDED

Noraisin’ny filohan’ny Re­po­blika ny didim-panjakana lah. 2024-467, tamin’ny 6 marsa, hanamarinana ireo mpikambana voafidy sy voatendry handrafitra ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna na ny Haut conseil pour la défense de la démocratie et de l’état de droit (HCDDED), araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavan’ny serasera […]

Sadasada sy fitaka

Mihazakazaka izaitsizy ny fanomanan’ny tsirairay sy ny fikambanana ary antoko manan-katokona hoenti-mia­trika ny fifidianana solombavambahoaka, hatao ny 29 mey ho avy izao. Ny antoko goavana sy ny vovonana mpanohitra aza efa nahavita namoaka ny anarana sy ny fahazoan-dalana ho an’ny kandidà hirotsaka amin’ny anarany. Andrasana ny avy amin’ny fitondrana na […]