Other News

Fampandrosoana: hamatsy vola 88 tapitrisa euros ny AFD

Mitentina 88 000 000 euros ny famatsiam-bola omen’ny Ivontoerana frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) hanatanterahina ireo tetikasa telo lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny tetikasa “PADEVE II” izay sahan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Hahakasika ny tanàn’ Antsirabe, Fianarantsoa, To­liara, Mahajanga, Antsiranana ary Toamasina. Mitentina 49 000 000 euros kosa ny […]

Fari-piainana: Mahantra ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy

Mampivarahontsana ny tahan’ny fahantrana eto Mada­ga­sikara! Mivelona ambanin’ ny 4 000Ar (0,89 $), isan’olona, ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy, nandritra ny taona 2022, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Izany hoe, mahantra avokoa ny 75% ny Malagasy. Tombana vokatry ny fanadihadiana ny sehatra marolafy nataon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny ivontoerana misahana ny […]

COMFWB Trade Fair : hanasongadina ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola maitso

Fanamby ny hampiroborobo ny fampiasam-bola maitso, ao anatina rojom-pihariana samihafa, hampivoarana ny fandraharahan’ny vehivavy aty Afrika, mandritra ny hetsika COMFWB Trade Fair andiany fahadimy, hatao eto Antananarivo. Hotontosaina eto Antana­na­rivo, ny 14 sy 15 jona izao, ny hetsika “COMESA Federation of Women in Busi­ness (COMFWB) Trade Fair” andiany fahadimy, izay […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 300 ny salotra vonjy aina nozaraina tamin’ ny mpanjono, avy amin’ny fokontany efatra any Itampolo, distrika Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, ny herinandro lasa teo. Avy amin’ny Fikambanana iraisam-pire­nena ara-tsakafo (FAO) ireo fitaovana ireo, ary efa nisy koa kojakoja hafa efa nozaraina, toy ny harato, arotava ary tady. Nisokatra […]

Ambatofinandrahana: Olona iray tratra nangalatra vy

Miisa dimy ny olona voarohirohy tamin’ny halatra vy tao Ambatofinandrahana, faritra Amorin’i Mania, tamin’ny volana febroary teo. Nitoby tao amin’ny toeran’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) any an-toerana, ireo vy ireo, izay tokony hampiasaina amin’ ny fandrafetana tetezana. Na­metraka fitoriana tany amin’ny zandarimaria Ambatofindran­drahana ny DRTP, ny 22 fe­broary, ary […]