Other News

Ping Pong- Lalao Afrikanina : nahazo fandresena roa ny lehilahy malagasy

Niditra an-tsehatra, omaly, ny Malagasy eo amin’ny isan-tarika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra amin’ny lalao Afrikanina any Ghana. Nahazo fandresena roa ny sokajy lehilahy Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, ao anatin’ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, sokajy lehilahy isan-tarika. Nanao pao-droa […]

BNGRC : drafitrasa fiatrehana ny loza voanajahary

Miara-miasa amin’ny go­ver­nemanta malagasy amin’ny alalan’ny Birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary (BNGRC), ny Rafitry ny firenena Mikambana (SNU), tohanan’ny Fiaraha-miasa alemà (GIZ). Tanjona ny hamolavolana drafitrasa, mifototra amin’ny tondro mahakasika ny fitantanana ny fiatrehana ny loza voajanahary (INFORM), araka ny fenitra iraisam-pirenena. Atao eto Antananarivo, mandritra ny roa andro, […]

F3LTM : antontam-baovao hikojakojana ny lalana

Nitohy, omaly, ny fifanakalozana traikefa ao anivon’ny Vaomiera iombonana mandrindra ny asa (CCC) ao anatin’ny tetikasa ho fampandrosoana ny fitantanana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana (F3LTM). Manohana ara-bola sy ara-teknika ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) amin’ny fanatanterahana azy ny Fiaraha-miasa japoney (Jica). Nilaza ny Sekretera jeneraly (SG) ny […]

Fanolanana zaza : hisantatra ny famosirana i Dawilly

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly i Dawilly, ilay tovolahy voampanga ho nanolana ankizivavy enin-taona, tao Imerintsiatosika. Izy no mety hisantatra ny famosirana. Nitondra fanazavana ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona fa nampiakarina teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, i Dawilly, ilay […]

INDRAY MIJERY

Mpianatra manodidina ny 200 no nisitraka fanentanana amin’ny « fandrindrana ny fiainana ara-pananahana » ho an’ny tanora ao amin’ny oniversiten’ Ana­lanjirofo. Tanjona ny mpianatra lavitry ny vohoka tsy nirina sy mandray an-tanana ny hoaviny ary mahavita ny fianarany hatramin’ny farany. Iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny ministeran’ny Fahasa­lamam-bahoaka izany. Hitohy ny fanaraha-maso […]