Ho raisin’ny fanjakana an-tanana ny fandoavan-ketra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana ilaina amin’ny tetikasa Teleferika (transport par câble). Voakasik’izany ny fitaterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, ao anatin’ny zotra volomboasary (Anosy-Ambatobe). Handray anjara amin’ny fivorian’ny Fida 13, hatao any Parisy Frantsa, ny 14 sy […]
Other News
Fitaterana ana habakabaka : hanokatra lanitra amin’ny firenena Arabo sy Azia i Madagasikara
Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hanokafana ny lanitr’i Madagasikara amin’izao tontolo izao, hampiroboroboana ny fitaterana ana habakabaka. Ankehitriny, kaompania maro avy any ivelany no liana amin’ny fanaovana sidina mankaty Madagasikara. Tetikasa izay mifanindry an-dalana amin’ny tanjona apetraky ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy hanatrarana ny mpizahatany 1 tapitrisa […]
ny train urbain: hiasa amin’ny fiandohan’ny taona
“Vinavinaina hiasa amin’ny fiandohan’ny taona 2024 izao ny train urbain mampitohy an’i Soarano sy Ambohimanambola”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, ny alakamisy teo. Nahemotra, hoy izy, ny fampandehanana ity fitaterana an-dalamby ity, noho ny fanamboarana samihafa, toy ny fanatsarana ny lalamby sy ireo […]
vita ny tetezana mangalaenatra : misokatra ny lalana Ifanadiana-Ikongo
Tanjon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny hisokafan’ny fifamoivoizana mandavan-taona, aorian’ny fahavitan’ny lalana. Vita ny tetezana any Mangalaenatra ary manomboka ny fanarenana ny lalana. Hivaha ny olana amin’ny fitokana-monina any amin’ny distrika Ikongo, noho ny haratsian’ny lalam-pirenena RN14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Tsiahivina fa nidina tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), ny kolonely Andrianatrehina […]
Fiaraha-miasa ara-tafika : nandray anjara tamin’ny « EDEX 2023 » ny MDN
Notanterahina tany Egypta, ny herinandro teo, ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « EDEX », « Egypt Defence Expo 2023 », Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblikan’i Arabo any Egypta sady filoha faratampon’ny Tafika egypsiana, Abdel Fata El Sisi. Ny Tafika egypsiana no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izany hetsika anisan’ny lehibe indrindra amin’ireo fampirantiana ara-piarovana aty amin’ny tapany avaratr’i Afrika. […]