Other News

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 1 000 000 ny Malagasy mivelona amin’ny harena an-kibon’ny tany, araka ny tombana nataon’ny minisitera mpiahy. Tamin’ny taona 2015 io tarehimarika io, fa tsy misy ny antontanisa mazava mahakasika ny mpitrandraka madinika tsy ara-dalàna. Misy koa ny tantsaha manao ity asa ity ihany amin’ny fotoana an-tselika. Nanaraka ny zotra […]

MTP: nahomby 85% ny zana-kazo voavoly

Mandray anjara amin’ny tanjona fandrakofana ala an’i Madagasikara ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Manodidina ny 3 000 isa ny zana-kazo nambolen’ny fianakaviamben’ity minisitera ity, ny volana marsa 2023 teo. Tany amin’ny fokontany Ambohibarikely, ao amin’ny faritra ZODAFARB Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrika Atsimon­drano no nanatanterahina izany. Taorian’ny fanombanana ny herinandro lasa […]

Bad : afaka mitondra ny 14%-n’ny PIB ny harena an-kibon’ny tany

Tsy mitsaha-mitombo ny filana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’ny harena an-kibon’ny tany. Afaka mitondra ny 14% amin’ny Harinkarena faobe eto amintsika ity sehatra ity. Namoaka ny tatitra 2023 mikasika an’i Madaga­si­kara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Voalaza fa maro ny otrikarena ambanin’ny tany ananantsika, amin’ny vatosoa sarobidy sy […]

Tetibolam-panjakana 2024 : lohalarana ny fanatsarana ny sosialy

Mitotaly 12 706 miliara Ar ny fitambaran’ny tetibola ho an’ny taona 2024. Voafaritra ao anatin’izany ny fampandehanan-draharaha amin’ny an­kapobeny sy ny fampiasam-bolam-panjakana. Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabariniri­narison Rindra Hasimbelo, nandritra ny fivoriambe tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny famelabelaran-kevitra amin’ ny ankapobeny ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola […]

fitaovam-piadiana : Atrikasa momba ny fiparitahany

Tsapa ankehitriny ny hamaroan’ny fivezivezen’ny basy tsy ara-dalàna amin’ireo toerana maro eto Madagasikara. Heverina ho antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao, izany. Mananosarotra ny fanaraha-maso azy ireny koa ny tsy fanavaozana ny taratasy ahafahana mitazona azy ara-dalàna. Hifehezana izany rehetra izany indrindra no antony nanatanterahina […]