Other News

FANTINA sy FINTINA

Nifarana ny fotoam-piasan’ireo eo anivon’ ny biraon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana, filoha lefitra fa hatao anio, ny famindram-pahefana ho an’ny birao vaovao. Namory ireo mpanao politika sasany, Ravalo­manana Marc, omaly. « Tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika fa ny fanavotana ny […]

Hiffim : “Tsy tenenina fotsiny ny sosialim-bahoaka”

“Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny mijery izay tokony hatao. Nilaza izy fa tazonina izay miasa tsara. Anjarany ny mitsara raha misy niasa tsara”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’izay ho firafitry ny governemanta vaovao eo. Alaina tsirairay […]

Vonjeo ny tantsaha !

  Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny andavanandron’ny mponina. Mifanindran-dalana amin’izany koa anefa ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny mponina amin’izay rehetra aleha. Tena mila vonjy ny any ambanivohitra. Mikaikaika amin’ny hafitsoky ny dahalo. Tsy ny malaso mirongo fitaovam-piadiana ihany fa hatramin’ny dahalo ambony latabatra. Zary tsy matoky intsony ireo mpisehatra […]

Raboanarijaona Holijaona: “Ilaina ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana”

Namaly ireo tsikera samihafa momba ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny mpomba ny fitondrana. Nambaran-dRaboanarijaona Holijaona fa efa mazava ny momba izany. “Raha tsy misy ny fa­hamarinan-toerana, tsy misy ilay fom­ba fitenin’ny filoha Rajoelina hoe tsy maintsy mandroso i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny fikambanana Emergence de Madagascar, Raboanari­jaona Holijaona, manoloana ny […]

TSELATRA

Lehilahy iray tsy nisy loha indray no hitan’ny fokonolona tao Ilakaka, afakomaly tolakandro. Efa ho telo herinandro io lehilahy io no novonoina raha ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo. Potika tanteraka ny razana saingy hany sisa namantarana azy ny kara-panondro teny aminy. Mpisandoka ho kalanoro roa lahy voasambotry ny fokonolona tao Andapa, […]