Other News

INDRAY MIJERY

Fampahafantarana ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ny zon’ny olona manana fahasembanana no nanamarihan’ny Akanin’ny marenina (Akama) ny an­dron’ny olona manana fahasembanana. Niarahana ta­min’ny tetikasa “Kolohay”, misehatra amin’ny fanabeazana mampiaty sy ny CBM ny hetsika. Mafy kokoa ny fanamby atrehin’ny ankizy manana fahasembanana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, hoy ny Unicef. Ilaina […]

Famokarana: mpamboly 855 nisitraka masomboly

Mitohy hatrany ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny famokarana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mpamboly maro avy amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy no nisitraka masomboly entina hampiroboroboana ny seha-pihariany, ny herinandro teo. Tan­tsaha 165 avy ao amin’ny faritra Sofia no nomena masomboly vary an-drano milanja 1 980 kg sy zezika NPK […]

Mahajanga: misesisesy ny fahatongavan’ ny sambo lehibe

Andrasana hiverina ao amin’ny renivohitr’i Boeny, ny alatsinainy izao, ilay sambo lehibe Hebridean Sky, nitondra mpizahatany nandalo tao an-toerana afakomaly. Sambo lehibe fahefatra nigadona tao Mahajanga izy ity, izay nitondra mpandeha 100. Nitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra ny 85 amin’ireo mpandeha, nahitana teratany amerikanina sy anglisy. Taorian’io, nihazo an’i […]

Fanondranana : nampiditra 3 miliara Ar mahery ny nikela sy kobalta

Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fanondranan’i Madagasikara nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nihena anefa ny vidiny, nilatsaka ihany koa ny vokatra naondrana. Manodidina ny 35 000 t ny vokatra nikela sy kobalta naondran’i Ma­dagasikara tao anatin’ny enim-bolana voalohany, tamin’ity taona ity. Nilanja 3 900t kosa izany tamin’ny volana […]