Other News

“World Choral Day”: haneho an-tsehatra ny “Messiah” ny ICanto

Andro iraisam-pirenena ho an’ny antoko mpihira. Mankalaza izany koa isika eto Madagasikara. Seho klasika anisan’ny malaza indrindra no hanamarihan’ny ICanto izany. Nanomboka ny taona 1990 no nanamarihana ny « World Choral Day ». Nosafidiana maneran-tany fa isaky ny alahady faharoan’ny volana desambra no hatokana ho an’ireo antoko mpihira, ka miovaova ny daty, araka izany. […]

Indostria eto Madagasikara : Ezaka vaovao hampandrosoana ny toekarena ny ODOF

Imasoana ny fametrahana indostria eto amintsika. Tafa­pe­traka ny Filan­kevitra nasionaly ho an’ny indostria eto Mada­ga­sikara (CNIM), tamin’ ny 20 novambra teo, tao amin’ny Econo­mic Deve­lopment Bo­ard of Mada­gas­car (EDBM). Lany ho filoha Rasoa­manana Chris­tian. Nanokatra ny fotoana ny minisitra Ra­za­findravahy Edg­ard. Politika arahina amin’izany ny hoe distrika iray ha­norenana indostria […]

FANTINA sy FINTINA

Nifarana ny fotoam-piasan’ireo eo anivon’ ny biraon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana, filoha lefitra fa hatao anio, ny famindram-pahefana ho an’ny birao vaovao. Namory ireo mpanao politika sasany, Ravalo­manana Marc, omaly. « Tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika fa ny fanavotana ny […]

Hiffim : “Tsy tenenina fotsiny ny sosialim-bahoaka”

“Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny mijery izay tokony hatao. Nilaza izy fa tazonina izay miasa tsara. Anjarany ny mitsara raha misy niasa tsara”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’izay ho firafitry ny governemanta vaovao eo. Alaina tsirairay […]

Vonjeo ny tantsaha !

  Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny andavanandron’ny mponina. Mifanindran-dalana amin’izany koa anefa ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny mponina amin’izay rehetra aleha. Tena mila vonjy ny any ambanivohitra. Mikaikaika amin’ny hafitsoky ny dahalo. Tsy ny malaso mirongo fitaovam-piadiana ihany fa hatramin’ny dahalo ambony latabatra. Zary tsy matoky intsony ireo mpisehatra […]