Mitohy ny ady hiragasy. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, rahampitso alahady manomboka amin’ny 10 roa maraina, ry Razoanibe Anivorano sy ry Valson Mahasolo. Marina fa samy tropy tsy mbola malaza, saingy manan-ko zaraina avokoa izy ireo, manana paikady vaovao hampitiavana ny hiragasy ka mendrika ny hiakatra kianja, indrindra fa […]
Other News
Fitoriana an-kira : seha-panabeazana ny Young Messenger Praise
Taona 2019, namoronan’ Andriamihaja Daniel (mpitendry, mpamorona sy mpandrindra) ny Groupe Young Messenger Praise. « Mirona kokoa amin’ny famolahana ny gospel izahay. Na izany aza, heno hatrany ary mivoitra any anatin’ireo sanganasa ny maha Malagasy eo amin’ny fitendrena zavamaneno sy ny fomba nanajariana ireo tononkira », hoy izy. Misandrahaka amin’ny gadona samihafa […]
Ankizy Mozika Festival : homena sehatra ny kilonga
Any amin’ny taninketsa no volavolaina. Antom-pisian’ny hetsika “Ankizy Mozika Festival”, izay karakarain’ny CGM/GZ io. Hotontosaina ny alahady 3 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny andiany fahatelo amin’ ity. Fanomezana sehatra ireo kilonga milofo amin’ny mozika izy ity, mba hanehoan’izy ireo ny talenta miampy izay norantoviny tsirairay […]
« A la recherche des Betia »: hasongadina ireo vehivavy mpanjaka tsy be mpahalala
Omena sehatra manokana eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ireo vehivavy mpanjaka tsy dia be mpahafantatra teto Madagasikara. Fikarohana lalina no nataon’ Andriarimanjaka Dina Nomena, tomponandraikitry ny fampirantiana. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « A la recherche des Betia ». Seho ranty, iarahana amin’Andriarimanjaka Dina Nomena, […]
Aretina VIH/ SIDA : mifindra amin’ny olona maro noho ny tsy fitandreman-tena
Nankalazaina omaly 1 desambra, ny Andro maneran-tany natokan’ny Firenena mikambana hiadina amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. Anisan’ ny nankalaza izany ny teto Madagasikara. Olana govana mbola sedrain’ny olona maneran-tany ary mbola tsy ahitana fanafody manasitrana ny tsimokaretina Vih/ Sida. Olona maherin’ny 39 tapitrisa maneran-tany, ireo miara-miaina amin’ny tsimokaretina tamin’ny fiafaran’ny taona 2022. […]